politique

FIKAMBANANA APOKALYPSY ETO MADAGASIKARA: Tsy nampandroso ny firenena ny rà latsaka


Mankasitraka sy mivavaka amin’ny fampihavanana ataon’ny FFKM ho an’ireo mpifanolana ankehitriny ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara ( FAM ). “Tsy mankasitraka ny fifampihantsiana ady miteraka rà mandriaka sy faty olona eto Madagasikara. Tsy nampandroso ny firenena ny rà latsaka teto amin’ny firenena. Teo ny tamin’ny tolona 1972, ny fanalana ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny taona 1991, ny olana teo amin’ny valim-pifidianana tamin’ny taona 2002 teo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka ary ny fanonganam-panjakana notarihin’i folohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ny taona 2009”, hoy ny filohan’ny FAM, Pasitera MAILHOL André Christian Dieu Donné. Noho izany, manolotra tolo-kevitra telo ny fikambanana raha tiana ny tsy hisian’ny rà latsaka intsony. “Mamporisika ny FFKM handresy lahatra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hametra-pialana. Raha tsy mety miala izy, resena lahatra indray ireo solombavambahoakan’ny fanovana hiandry ny fifidianana izay efa fotoana kely sisa. Rehefa tsy mety intsony ireo, mangataka ny miaramila handray ny fahefana”. Nomarihany fa madio ny FAM izay tarihin’ity pasitera ity. “Tsy nandray anjara tamin’ny fampiatoana ny filoha Zafy Albert ny taona 1996 satria tsy nanana solombavambahoaka.Tsy isan’ireo vahoaka nidina an-dalambe izy ireo tamin’ny taona 2002 ny taona 2009.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *