Faits-divers

FIHOTSAHAN’NY VATOBE: Fokontany fito no tandindomin-doza


Olona enina indray no maty teny amin’ny fokontany Ambanin’Ampamarinana, Antananarivo Renivohitra noho ny fihotsahan’ny vatobe miisa dimy ny alahady marainan’ny 3 febroary 2019. Trano efatra no rava tamin’izany. Nandray fepetra ny teo anivon’ny prefektiora fa tsy maintsy hafindra ireo tokantrano tadindomin-doza satria mbola misy vatobe hafa ahiana hihotsaka. Fokontany fito no tandindomin-doza araka ny fanazavan’ny biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny loza voanjanahary (BNGRC): Ambatovinaky, Tsiamilonjafy, Amban’i Ampamarinana, Ankadilalana, Ambohipotsy, Manjakamiadana ary Andafiavaratra. Manoloana izany, tafo miisa 2403 no tokony handao ny trano fonenany.

Tapaka tao anatin’ny filan-kevitry ny ministra ny alahady 3 febroary 2019 fa eny amin’ny trano mora Ambohidratrimo sy Village Voara Andohatapenaka ny toerana hamindrana ireo olona tandindomin-doza eny amin’ny faritra avo. Nohamafisin’ny “prefet” ny polisy an’Antananarivo Renivohitra, jeneraly Angelo Ravelonarivo fa tsy maintsy misy ny fanesorana an-kery ireo mponina raha tsy mety miala izy ireo mba hiarovana ny ainy. Nanomboka omaly ny fanesorana ireo mponina fa nialoha izany dia efa nanao fanentanana azy ireo ny lehiben’ny fokontany ny alin’ny alatsinainy 4 febroary 2019. Fanindroany amin’ity izao no nisy fihotsahana vato teto Antananarivo Renivohitra tamin’ity taona vaovao ity.

Lynda A.


One comment on “FIHOTSAHAN’NY VATOBE: Fokontany fito no tandindomin-doza

  1. Pingback: FIHOTSAHAN’NY VATOBE: Fokontany fito no tandindomin-doza - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *