Socio-eco

FIFOHANA SIGARA SY FIHINANA PARAKY: Atsaharo raha mbola azo atao! . .


Araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny 𝐆𝐘𝐓𝐒 𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐆𝐥𝐨𝐛𝐚𝐥 𝐘𝐨𝐮𝐭𝐡 𝐓𝐨𝐛𝐚𝐜𝐜𝐨 𝐒𝐮𝐫𝐯𝐞𝐲 tamin’ny taona 2018 tamin’ireo ankizy 13 ka hatramin’ny 15 taona eny amin’ny ambaratonga faharoa dia ny 𝟑𝟓.𝟗% ny mpianatra no lasibatra ny setroka sigara sy paraky tsy fidiny ao an-tokantrano, raha toa ka 𝟓𝟐,𝟑% kosa ny eny amin’ny toerana vory olona. Loza mitatao ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fifohana sigara sy fihinana paraky, noho izany indrindra no antony nanaovana ny atrikasa lehibe iray nandritra herinandro taty amin’ny Renivohi-paritra Atsinanana ahafahana mitrandraka paikady vaovao eo anivon’ny serasera hanaisotra haingana izao taha-pahavoazana izao. Hita nikaondoha tao anatin’izao hatrikasa izao avokoa ireo mpiantsehatra miady amin’ity fahazaran-dratsy fanetry be ny firenena ity toy ireo mpiara monim-pirenena, ny vokovoko manga, ny mpitondra fivavahana ary ny OFNALAT izay ratsamangaika avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy araka izany ny fanentanana sy fanamafisana ny fampiharana ny lalana manankery mandrara ny fifohana sigara sy fihinana paraky.

loharanom-baovao: Ministeran’ny fahasalamamb-bahoaka


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *