politique

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Efa vonona hatry ny ela Rajerison Nicole Véronique


Ny 11 martsa 2019 no nanatitra ny filatsahan-ko fidiany ho solombavambahoaka ny boriborin-tany faha-dimy, Ramatoa Rajerison Nicole Véronique, filohan’ny antoko politika, Union nationale pour la refondation et la reconstruction de Madagascar (UNRRM). Teny amin’ny OVEC Nanisana izy sy ny ekipany no nanatontosa izany. “Efa vonona hatry ny ela aho satria betsaka ny lalàna efa lany daty eto Madagasikara”, hoy Rajerison Nicole Véronique. Kandida vehivavy Rajerison Nicole Véronique ka miantso ny vehivavy rehetra ny tenany mba handray ny andraikiny ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Ao anatin’izany fandehanana mifidy izay ho solombavambahoaka ny 27 mey 2019 ho avy izao. Efa manaitra ny sain’ny maro sahady ity kandida ity fa manan-ko lazaina momba ny lalàna indrindra amin’ny lafiny sosialy. Mampahafantatra ny olom-pirenena ihany koa fa manana kandida ho solombavambahoaka maromaro ny antoko politika UNRRM. Ho taterina eto ihany ny vaovao momba izany rehetra izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *