Socio-eco

FIFIDIANANA NY HOLAFITRY NY VADITANY SY NY MPANAO LAVANTY: Lany ho filoha ny maître Rakotonirina Herilalaina Alain


Vita ny zoma 27 Aogositra 2021 tany Antsirabe ny fifidianana ny filohan’ny holafitry ny vaditany sy ny mpanao lavanty eto Madagasikara  (Ordres Huissier de Justice et commissaires-Priseur de Madagascar) sy ny birao mandrafitra azy. Roa taona no nanomanana ity fifidianana ity ka izao tanteraka izao. Lany ho filoha ny maître Rakotonirina Herilalaina Alain tamin’ny isam-bato 82 (64,06%) raha vato 46 (35,94%) ny azon’i maître Rasamimaka Mahefalahy. 131 ny mpifidy sy ny  fanomezan-dalana ka telo ny vato maty sy tsy manankery. Nanome toky  ity filoha vaovao ity fa hijanona ho ray aman-dren’ny Vaditany rehetra manerana an’i Madagasikara. Hihaino ny hetahetan’izy ireo mandritra ny telo taona hitondrany ny holafitra. Voalohany hataony  ny fanohanana ny hetsika firahalahiana tamin’ny herisetra nahazo vaditany sy ny mpanao lavandy vehivavy niharan’ny herisetra teto Antananarivo sy ny tany amin’ny faritra. Hiezaka izy ny hanatona ny minisitera mpiahy mba hampandrosoana haingana ny raharaha momba io vehivavy vaditany niharan’ny herisetra io ho eo anoloan’ny fitsarana, hoy hatrany ity filoha ity. Nomarihany fa mbola mijanona ao amin’ny Procureur ny raharaha hatramin’izao. Laharam-pahamehana faharoa ny hananganana « ecole de procedure » Dingana tsy maintsy atao mialoha an’io  ny fandefasana mpianatra sy mpizatra asa any ivelany ao anatin ny fiarahamiasa amin’ny Chambre ny vaditany any italy. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fifandraisana sy firaisankina samy vaditany. Hampiasaina ny fitaovan-tserasera sy ny fomba rehetra hampifanakaiky kokoa ny vaditany manerana an’ny nosy. Nomarihan’ity filoha vaovao ity fa taona mainty ny taona 2020 satria betsaka ny vaditany nampanatsoin’ny bianco sy niharan’ny tsindry.

Ireto kosa ireo vaditany mandrafitra ny biraon’ny holafitra,

Syndica Maitre RARIVOARIVONY Andriatafaniaina Haja Fitiavana (TOAMASINA)

Trésorière Maitre RANDRIAMBOLOLONA Delcy Sandra (Antanarivo)

Première Secrétaire RAVOLOLOMBOAHANGY Miora Prisca

2 ème Secrétaire Maître RAZANAKOTO Ny Ony Arilaza

DELEGE isaky ny faritra,

Antananarivo, Maître RAZAFINDRAHASY Jonah Olivia

Antsirabe, Maître ANDRIAMBOLOLONA Ralisiarilala

Mahajanga, Maitre RAKOTONJANAHARY Lalatiana Noël

 Fianarantsoa, Maître RAVAOENINTSOANIRINA Ezakasoa

Antsiranana, RAKOTOARIVELO Marcellus

Tuléar, Maître VAOSAOTSE Ratefinomenjanahary

Toamasina Maitre RAKOTONINDRINA Tovohery Adolphe

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *