Socio-eco

Fifidianana lavitry ny hetraketraka: Mitaky fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra


Noresahana nandritra ny adi-hevitra nokarakarain’ny ekipan’ny tetikasa « rindra hisiam-pifidianana lavitry ny hetraketraka » na PEV Madagascar ny fomba hametrahana fitoniana mandritra ny vanim-potoana ny fifidianana.  Mpahay lalàna, mpandraharaha, solontenan’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI), mpitandro filaminana ary mpanao gazety  no nandray anjara tamin’ny adi-hevitra, omaly 29 mey 2018.

Talohan’ny fandraisam-pitenenan’ny mpandray anjara, namelabelatra momba ny fanamafisana orina ny andrakaikitry ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana mba hisorohana, sy  fitantanana ary famahana ny disadisa ny Dr Juvence Ramasy.

Tanjon’ny adi-hevitra ny fampitombona ny fiaraha-mientana eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny fifidianana, mba hampirindra ny asa, izay miompana amin’ny hisian’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana, fifanajana, ary fifankahazoana. Ny fitadiavana vahaolana sy lalàna azo irosoana ho fanamafisana orina ny fitoniana no tena nodinihana.

 Mifanindran-dalana tamin’ity adi-hevitra ity ny fiofanana natao ho an’ny mpanao gazety. Nanomboka omaly 29 mey 2018 ny fiofanana ary hifarana rahampitso 31 mey 2018. « Fanaovan-gazety manoloana ny hetraketraka ara-pifidianana » ny lohahehvitra iompanan’ny fiofanana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *