Sport

FIFIDIANANA FILOHAN’NY ASIEF: Kandida tokana i Andrianarison John na i John Love


Andrianarison John, filohan’ny ASIEF teo aloha ihany no kandida nanatitra ny ny antontan-taratasy filatsahankofidiana teny amin’ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana. Nifarana ny 21 janoary 2022 tamin’ny 4 ora sy sasany ny fara-fanaterana izany. Ny 28 janoary 2022 ny fifidianana filoha vaovao an’ny ASIEF na « Association Sportive Inter-ministerielle pour l’entretien des fonctionnaires ». 4 taona ny haharetan’ny fotoam-piasana. Asa maro no mbola miandry ny ekipan’i Andrianarison John na i John Love raha lany fanindroany. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fikarakarana ny fifaninanana ara-panatanjahantena handrasain’ireo mpiasam-panjakana anjara sy ny fandaminana isaky ny taranja. Fantatra fa manokana tetibola handefasana ireo ekipa mandray anjara amin’ny lalao ny ministera tsirairay. Tany Mahajanga no nanatanterahina ny lalao nasionaly tamin’ny taona 2021.

Fambolen-kazo

Amin’ny maha fikambanana ny ASIEF dia tsy mijanona amin’ny fikoloana ny mpiasam-panjakana amin’ny lafiny ara-tsaina sy ny ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena fa mandray anjara ihany koa amin’ny fampandrosoana ny firenena. “Manome tanana ny fanjakana hatrany ny ASIEF rehefa resaka fampandrosoana”, hoy i Andrianarison John. Amin’ny maha olom-pirenena azy ireo, nilatsaka an-tsitrapo nanatevin-daharana ny ekipa namboly hazo nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2022, ny 19 janoary tany Mahanoro, ny ASIEF.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *