Socio-eco

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Voafehin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny sary


Niriantsoa Cynthia Randrianarison avy ao amin’ny EPP 67 ha Avaratra no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana manao sary nokarakarain’ny fikambanana Yali Chapter Madagascar. “Za mizara fitiavana” ny anarana nampitondraina ity hetsika ity. Fandokoana ny sekoly niavian’ilay mpianatra ny loka goavana miampy kojakoja avy amin’ireo mpanohana ny hetsika. Ny 16 febroary 2019 teny amin’ny EPP Analamahitsy no nanatanterahana ny fifaninanana ka EPP miisa 20 eto Antananarivo Renivohitra no nandray anjara. Samy nandefa solontena lahy sy vavy ny EPP tsirairay ka nahatratra 40 isa ireo mpifaninana. Nasaina naneho ny fomba fijery momba fifidianana ireto mpianatra avy any ambaratonga fototra ireto. “Tafita ny hevitra tamin’ny alalan’ny fampiasàna loko sy ny sary”, hoy ny mpitsara iray matihanina momba ny sary. Hita tao anatin’ny sarin’i Cynthia nahazo ny voalohany ny tabilao misy fanisam-bato, ny solontenan’ny kandida manao fanamiana, ny vata fandatsaham-bato, ny famantaran’ora. Nambaran’ny mpandrindra nasionaly ny Yali Chapter Madagascar Herizo Andriamiarana fa fantatry ny mpianatra ny fifidianana amin’ny ankapobeny raha ny sary nataon’izy ireo no jerena.

Fivondronan’ny mpianatra Malagasy nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny fandaharan’asa ny governemanta Amerikanina ny fikambanana Yali Chapter. Fahaiza-mitarika ny fiofanana nataon’izy ireo tany ivelany. Antony lehibe roa no nanaovana ny fifaninanana. Ny fizarana ny fahaiza-manao momba ny fahaiza- mitarika na “leadership”, indrindra ho an’ny ankizy dieny vao manomboka, araka ny fanazavan’i Herizo Andriamiarana. Manao izay tsara avy any aminy amin’ny alalan’ny sary ny ankizy dia ny tombontsoa ho azo tsy ho azy irery fa ho an’ny ho azy irery fa ho an’ny sekoly niaviany ihany koa.“ Rehefa miezaka dia tsy ho an’ny tena irery ny tombontsoa fa ho an’ny hafa ihany koa”. Manaraka izany, ireo ankizy no olom-pirenena ho fidiana sy hifidy ho an’ny rahampitso. Efa mahafantatra ny fifidianana sahady izy ireo dieny izao. Anisany antony faharoa nikarakaran’ny fikambanana Yali Chapter ny hetsika “Za mizara fitiavana” izany. Andiany voalohany ity hetsika ity fa mbola hitohy any amin’ny faritany izany. Ny tapaky ny volana martsa ny fotoana manaraka any amin’ny faritra Atsinanana.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *