politique

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Hanorina sy hanarina i José Vianey


Misesisesy ireo olom-pirenena manambara ny filatsa-kofidiana ho filohan’ny repoblika amin’ity taona 2018 ity. Tao aorian’i Pasitera Mailhol, nanambara filatsahany ihany koa i José Vianey teny Ivato tamin’ny Sabotsy 17 Martsa 2018 lasa teo. Natolotry ny antoko RAM na « Rassemblement pour l’Avenir de Madagascar » izy. Mifototra amin’ny fanorenana ifotony ny vina ho tanterahany raha tonga eo amin’ny fitondrana izy ary hamelona indray ny fanantenana ao am-pon’ny Malagasy difotry ny an-kiviana sy ny adim-piainana. Noho izany, ovana ny lalam-panorenana tsy natao ho an’ny filoha am-perin’asa fa ho lovain’ny mpitondra rehetra ary tsy natao anilihana ny mpanohatra. Hanatanteraka fampihavanam-pirenena ihany koa izy. Jerena manokana ny fandriam-pahalemana izay mampiraviravy tanana ny vahoaka. Avadika ho angovo avaozina ny herin’aratra. Ny malagasy ny voalohany mahazo mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany fa raha tsy izany dia mivadika ho fivarotana tanindrazana izany. Mifandraika amin’io fitrandrahana ny harena io ihany, atsangana ny tahirim-bola iombonana izay am-pahan’ ny vola azo avy amin’ny io fitrandrahana harena an-kibon’ny tany io… « Tsara tantana ny fanjakana ho entiko ary tsy anao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena na ny tahirim-bolam-panjakana aho ». Omena lanja ny hevitr’ireo filoham-pirenena teo aloha ka atsangana ny rafim-panjakana iray ivondronan’izy ireo atao hoe « Conseil des Anciens Présidents ».
Efa tao anatin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ary nanao sisi-tany ny tenany tany Frantsa izy tamin’ny fitondran’i filoha Marc Ravalomanana. Vonona ny hifamela amin’io filoham-pirenena teo aloha io izy raha ny nambarany.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *