politique

FIFIDIANANA BEN’NY TANANA IVATO : Mitaky ny hanokafana ny tsena vaovao, ny kandidà Goddefrin


Tao aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana fandrotsahana antonta-taratasy izay ho ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna manerana an’i Madagasikara dia miezaka mampahafantatra ny natolony ireo antoko na vondrona antoko nandatsaka azy ireny. Nampahafantarin’ny IRD foibe teny Ivato ny kandidà ben’ny tanàn’Ivato sy ireo mpanolotsaina narotsak’izy ireo hifaninana amin’izany. Ny kandidà Rasoamiaramanana Goddefrin no kandidàn’izy ireo miaraka amin’ny kandidà izay ho mpanolotsaina. « Lahara-pahamehana ny ady amin’ny gaboraraka, ny fandaminana ny tanàna,  hijery ny fianaran’ny ankizy satria tokony miditra an-tsekoly avokoa ny ankizy eny amin’ny kaominin’Ivato. Betsaka ireo ankizy no tsy tafiditra an-tsekoly satria miraviravy tanana ireo ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany. Anjaran’ny kaominina no mikarakara an’izany », hoy i Goddefrin. Mangataka ny hanokafana ny tsena vaovao vao vita io ihany koa izy. Mahatsapa ity kandidà ity fa mijaly ny vahoaka sy ireo mpivarotra fa tsy mandeha ny asa aman-draharahan’izy ireo amin’ny tsy fisokafan’izany tsena izany. Eo ihany koa ny fijalian’ny vahoakan’Ivato amin’ny tsy fisian’ny rano ka mieritreritra ny hanamboatra paompim-pokonolona izy. Hanampy amin’ny fanatanterahana IEM ny tenany raha tonga eo amin’ny fitantanana ny kaominin’Ivato. Tsy maintsy tanterahana avokoa ny velirano nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry, hoy hatrany izy. Ankoatra izay dia vonona hanohana azy ny Komity Miady amin’ny Gaboraraka ( KMG ).

Marihana fa tao anatin’ny fikambanana KMG io ihany ity kandidà ity. Efa nitondra ny kaominin’Ivato indro miantoana talohan’ny fitondran’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy izy. Nifaninana taminy ihany koa tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo saingy resin’i Penjy izy tamin’izany fotoana izany. Niverina nirotsaka indray izy amin’ity fifidianana manaraka ity ka mbola ao anatin’ny kandidà hifaninana izay ho ben’ny tanàn’Ivato aminy amin’izany ny kandidà Randrianarisoa Penjy izay natolotry ny TIM.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *