Sport

FIFANINTSANANA CAN 2021 : Trongisin’ny Barea ny Mena


Mitana ny laharana voalohany ny Barean’i Madagasikara ao amin’ny vondrona K tamin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana CAN 2021 atao any Camerona. Montsanin’ny ekipa-pirenena malagasy, Barea tamin’ny isa 6 no 2 ny ekipa-pirenena Niger, Mena androany talata 19 Novambra 2019. Natao tao amin’ny kianjan’ny Niamey, Niger ny lalaon’ny roa tonta. Manana isa 6 ary miabo 5 i Madagasikara, laharana faharoa ny Etiopiana, fahatelo i Côte d’Ivoire ary farany i Niger. Nampiseho ny endri-dalao nahafantarana azy ny Barea sady nifehy ny lalao na dia vao enina minitra monja dia nampiditra ny baolina voalohany ny Mena tamin’ny alalan’ny baolina nodakan’i Amadou Wonkey. Efatra minitra tao aorian’io nosahalan’i Bolida daka mandrivorivo ny baolina izay tolotra avy any amin’i Voavy Paulin rehefa avy namitapitaka ny vodilaharan’i Mena. Nanindry hatrany ny Barea ka nahatafiditra ny baolina fahatelo indray i Bolida ny faha 27 minitra. Tao aorian’io, 35 minitra dia nahazo penalty indray ny malagasy rehefa nanao hadisona tamin’i Carolus ny mpiandry tsatobian’i Niger izay nodakan’i Abel Anicet. Tsy nijanona hatreo anefa ny isa fa minitra faha 38 dia nahatafiditra baolina fahaefatra ny Barea tamin’ny alalan’i Carolus. Laoby nodakan’i Metanira, nidona ny tsivalamby izay nandrasan’i Carolus ka tafidiny. 1 sy 4 no isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fandaniana fotoana sisa no nataon’ny Barea tamin’ny fidirana faharoa na izany aza anefa nanafika izy ireo. Minitra faha 54 nahatafiditra baolina indray i Voavy Paulin.  Baolina fahaenina farany tafiditry ny Barea napidiriny lohan’i Jeremy Morel. Nandany fotoana tanteraka ny Barea tamin’ny fanaovana kitikitika sy pasipasy. Noho izany anefa dia nanao hadisoina i Abel Anicet, votsotra teny an-tongony ny baolina ka nararaotin’ny Mena izany nampidirana baolina faharoa tamin’ny alalan’i Yusif Moussa 77 minitra.

Hanafika any  Côte d’Ivoire kosa ny ekipa-pirenena malagasy  amin’ny andro fahatelo ny 31 Aogositra 2020 ary ho avy eto Madagasikara kosa ny ekipa-pirenena Ivoriana ny 08 Septambra 2020.

Vokatra tamin’ity andro faharoa ity ao amin’ny vondrona K misy an’i Madagasikara. Resin’ny Etiopiana tamin’ny isa 2 no 1 ny Côde d’Ivoire

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *