Socio-eco

FIFANINANANA TETIKASA: Nahazo tohana ara-bola ireo nandresy


Nambara tamin’ny fomba ofisialy omaly 24 aprily 2018 ireo mpandresy tamin’ny fifaninana tetikasa Newcopark 2018. Ny tetikasa  momba ny “fampianarana an-trano” no nahazo ny voalohany. 500 euros ny loka azony. “Famoronan’asa ho an’ny mpianatra eny Ankatso manana diplaoma manomboka amin’ny Licence ity tetikasa ity. Mitady mpianatra manana  diplaoma Licence no miakatra izahay mba hampianatra ireo mpianatra manana fahasarotana amin’ny taranja hianarany. Any an-trano no atao ny fampianarana. Tanjona ny hanatsarana ny voka-panadinana”, hoy ny tompon’ny tetikasa fampianarana an-trano, ramatoa Faramalala Andriamparany. Faharoa tamin’ny fifaninanana ny tetikasa fananganana toerana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena hiasan’ny mpampivelona any Fort-Dauphin. Fahatelo kosa ny tetikasa fiompiana kankana azo avy amin’ny lafarinina  mba atao sakafon’ny  biby fiompy. 150 euros ny vola azony tamin’izany. “Entin’ireo tompon’ny tetikasa hanombohana ny tetikasany ireo loka ireo. Hisy ny “coach” ihany koa hanampy azy ireo amin’ny fitantanana ny tetikasa”, hoy ny filohan’ny JCI Antananarivo, Anissa Ratovondrahona

Tetikasa 31 no nandray anjara tamin’ity fifaninanana andiany faha-dimy nokarakarain’ny Newcopark ity. Nanatevina ny ekipan’ny Newcopark ny avy amin’ny orinasa Smartelia, JCI (Jeune Chambre Internationale) ary ny ESSCA.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *