Socio-eco

FIFANINANANA ASA SORATRA: “Sao fanambadiana aloha loatra?”.


Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana tantara foronina izay karakarain’ny SyNAEL. Samy mamorona ny lohateniny ny mpandray anjara tsirairay fa tsy mifanohitra amin’ny lohahevitra hoe: “Sao fanambadiana aloha loatra?” kosa. Pejy 50 ka hatramin’ny 70 eo no takiana amin’ny mpanoratra sy atao sora-printy ary amin’ny teny Malagasy .

Ny loka ho an’ny voalohany dia vola mitentina 300.000 Ariary, 200.000 Ariary kosa ny faharoa ary 100.000 Ariary ny fahatelo. Hahazo tombony kokoa ny laharana voalohany satria ny SyNAEL no hiantoka ny fanontana ny boky ka 500 isa no antonta voalohany ary omena boky miisa 50 ny mpanoratra ho fanajana ny zon’ny mpamorona. Hisitraka 10% amin’ny vidin’ny boky iray kosa izy amin’ny fanontana manaraka.

Ny 30 jona 2016 no fara-fandraisana ny asa soratra. Eny amin’ny Foiben’ny SyNAEL ( librairie Mixte Immeuble Victoria Plaza Antanimena) na librairie TPFLM Antaninarenina na librairie CMPL Isoraka no anaterana na andefasana izany raha alefa paositra.

Ny volana oktobra ny fanambarana ny vokatra. Ny volana Novambra kosa ny fizarana ny loka.

Marihina fa miara-miasa amin’ny mpikarakara ny « XVIème Sommet de la Francophonie » eto amintsika ity fifaninanana ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *