Socio-eco

FIER MADA: Mahaliana ny rehetra


Feno 20 taona ny FIER MADA. Nitombo ny mpandray anjara tamin’ny andiany faha-20. Nisy mpandray anjara 50 isa tsy nahazo trano heva satria tsy homby intsony ny toerana, araka ny fitantaran’ny mpikarakara. Mpandray anjara 400 ihany no zakan’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka. Nanomboka ny alarobia 01 aogositra 2018 teo ny hetsika natokana ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny vokatra azo avy aminy. Tsy hifarana ny hetsika raha tsy amin’ny alahady 05 aogositra 2018. Tantsaha mpamboly sy mpiompy avy any amin’ny faritra 22 eto Madagasikara, orinasa mpanodina ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, orinasa mpivarotra fitaovam-pamokarana, mpiantsehatra manaparitaka ny teknikam-pambolena mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro no mandray anjara amin’ny FIER MADA. Tanjon’ny hetsika ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo tantsaha mpamokatra. Eo ihany koa ny fifanankalozana traikefa hanatsarana io seha-pihariana io.

Banky fampandrosoana

Taratry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny FIER MADA, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. Nivoitra tamin’ny loabary an-dasy tamin’ny FIER MADA andiany teo aloha fa mila fanohanana ireo tantsaha mba hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. “Mangataka ny tansaha ny hananganana banky fampandrosoana. Ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana ara-dalàna sy ara-drariny ny harena an-kibon’ny tany, harena anaty rano sy ambon’ny tany no hampandehanana io banky io”, hoy mpanorina ny FIER MADA sady mpitondra tenin’ireo tantsaha, Jacques Ramanantsoa. Voafetra ihany ny tetikasa tohanan’ny mpamatsy vola any ivelany ary voafantina ihany koa ireo mpahazo tombontsoa. Mba hampaharitra ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra dia io banky fampandrosoana no vahaolana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *