Socio-eco

FIER MADA ANDIANY FAHA-21: Mitombo hatrany mpandray anjara


Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA ny Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry androany 07 aogositra 2019 teny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka. Nohamafisin’ny Filohampirenena fa 80 % ny mponina no mivelona amin’ny fambolena, fiompiana ary ny jono. “Ho fampisehoana fa hanampy ny tantsaha malagasy aho no antony fahatongavako eto” hoy izy. Lohahevitra ho voizina mandritra ity andiany faha-21 ity ny “fandrosoana maharitra: tetikasam-panjakana vatsiana vola amin’ny harena voajanahary sy ifampierana eny amin’ny tantsaha eny ifotony”. Nambaran’ny mpanorina ny FIER MADA, Rabemanantsoa Jacques fa ho fampiroboroboana ny seha-pihariana amin’ny lafiny fambolena, fiompiana sy ny jono ary vokatra azo avy aminy ny FIER MADA. Maro azo isafidianana ny vokatra amidy eny amin’ny Kianjan’i Makis Andohatapenaka hatramin’ny alahady 11 aogositra 2019 satria tafakatra 450 ny trano heva mivarotra ireo vokatry ny tany, akoho amam-borona, hazandranomamy sy hazandranomasina, fitaovam-pamokarana, asa tanana… Hita eny an-toerana avokoa ireo vokatra mampiavaka ny faritra 22.

Niteraka voka-tsoa ho an’ny mpandray anjara ireo andiany 20 teo aloha toy ny fahazoana lalam-barotra eto amin’ny tsena anatiny sy any ivelany, ny fifanaraham-piarahamiasa isan-karazany. Tsy ny Malagasy ihany no tonga nitsidika ny hetsika hatramin’izay fa voasarika ihany koa ireo vahiny avy amin’ny firenena maro. Ankoatra ny varotra fampirantiana dia horesahana mandritra ny loabary an-dasy ireo lohahevitra hanatsarana ny seha-pihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Lynda A.

 


One comment on “FIER MADA ANDIANY FAHA-21: Mitombo hatrany mpandray anjara

  1. Pingback: FIER MADA ANDIANY FAHA-21: Mitombo hatrany mpandray anjara - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *