Socio-eco

FIATREHANA NY CORONAVIRUS: Manatanteraka ny anjara tandrifiny ny kaominina Ivato


Fifehezana ny valanaretina COVID 19. Nitety ny biraom-panjakana toy ny teny amin’ny TPIC (Trésorerie Principale Intercommunale), ny “poste de la gendarmerie”, ny toeram-pitsaboana fototra (CSB) ary ireo biraom-pokontany rehetra eny Ivato, ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina ny 26 martsa 2020. PENJY - KAOMININA 1Fizarana  fanasana tanàna mamono mikraoba tsy mandalo rano no nataon’izy ireo tamin’izany. Ankoatra izany, sarom-bava (cache bouche) miisa 3000 maimaimpoana no nozaraina tamin’ireo mpivarotra rehetra ao amin’ny an-tsena tamin’ io fotoana io.

“Ady iarahana eto amin’ny firenena sy manerantany ny famongorana ny coronavirus ka mahatsiaro manana adidy amin’izany ny tenako, indrindra ho an’ireo tsy maintsy miasa amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao”, hoy ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa. Nohamafisiny fa ho tohizana hatrany ny asa fanadiovana ary hisy ny fandrarahana ranom-panafody mamono bibikely sy mikraoba hatao manerana ny tanàna. “Tanjona ny hifehezana ny aretina coronavirus araka ny toromarika avy amin’ny fitondram panjakana”, hoy izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *