Socio-eco

FIAROVANA NY ZON’NY TANTSAHA: Hanao ny asan’ny fanjakana ny sehatra tsy miankina


Tsy misy mpiahy ireo tantsaha ao amin’ny distrikan’Imanja, faritra Menabe. Ny tany anefa mamokatra saingy ny ho enti-manana no tsy ampy na tsy misy. Eo ihany koa ny tsy fahitana lalam-barotra sy haratsian’ny làlana hitaterana ny vokatra. “Tahaka ny zanak’ikala hafa izahay mpamboly sy mpiompy. Anarany mba misy tomponandraikitra eo anivon’ny faritra fa tsy misy mijery anay izy ireo”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny tantsaha avy any Imanja. Tsy ny tantsaha avy ao Imanja ihany no tsy mahazo fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana fa saika manerana ny faritra 22.

Ho fanampiana azy ireo dia niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa tamin’ireo koperativa ivondronan’ny tantsaha manerana an’i Madagasikara ny orinasa Guanomad. Nandritra ny foara natokana ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny vokatra azo avy aminy (FIER MADA), teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka no nanatanterahina izany. Tafiditra ao anatin’ny fiarahamiasa ny famatsiana zezika biolojika vokarin’ny Guanomad an’ireo mpikambana ao anatin’ny koperativa, ny fampiofanana azy ireo ny fomba fampiasana io zezika avy amin’ny tain-dramanavy io, ny fitadiavana lalam-barotra na avy eto an-toerana na avy any ivelany ary ny fiarovana ny zon’izy ireo. “Tsy zakan’ny tantsaha ny tahan’ny zana-bola raha hindram-bola. 2% isan-jato isam-bolana no aloa raha hindrana any amin’ny banky. Betsaka ny vola mivoaka kanefa kely ny tombom-barotra. Rehefa tsy handray andraikitra ny fanjakana dia aleo ny sehatra tsy miankina hanampy ny tantsaha”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny Guanomad, Erick Rajaonary.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *