Socio-eco

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Miasa amin’ny tao-tsaritany ny FANC Madagascar


Mahatsapa ny rehetra ankehitriny fa miha-simba ny tontolo iainana. Ny fisian’ny ala betsaka anefa no afahana mamerina ny tontolo iainana ho tsara satria izy no mitazona ny « carbone ». Zava-dehibe noho izany ny fahafantarana amin’ny sari-tany ireo toerana mbola misy ala na ihany koa ny efa manomboka ringana na tsy ahitana ala intsony mihitsy. Izay indrindra no nikarakaran’ny « Finnish Association for Nature Conservation » FANC Madagasicar atrikasa nifampizarana tamin’ireo mpisehatra amin’ity fanaovana tao-tsari-tany momban’ireo ala eto Madagasikara ary ireo mpikirakira ny fiarovana ny tontolo iainana nandritra ny enina andro izay nanomboka ny 11 Jona 2019 ka hatramin’ny 16 Jona 2019 tany Andasibe. Nahitana ny « Laboratoire d’Observation des Forêts de Madagascar » ( LOFM) miasa amin’ny fanaovana sari-tany, ireo teknisianina misehatra ao amin’ny REDD+, ny Direction Générale de l’Environnement et des Forêts ( DGEF) , ny « Bureau National des Changements Climatiques, du Carbone » ( BNCCC) ary ny fikambanana Mitsinjo. Faritra Andasibe iasan’ny FANC Madagascar no nifantohan’ny atrikasa . Tanjona ny hitoviana fomba famaritana ny ala eo amin’ny sari-tany. Nisy ny fifampizarana traikefa amin’ny fanaovana izany tao-tsari-tany izany amin’ny fisokajiana ireo ala ao amin’ny toerana mando teo amin’ny teknisian’ny FANC Madagascar sy ny teknisianina ao amin’ny LOFM ary ireo mpandray anjara. Ankoatra izay, nanatanteraka fidina tao amin’ny « Madagascar National Parks » ( MNP) ao Mantadia izay nahitana faritra mando sy faritra efa nihena izany hamandoana izany ary ny tsy nahitana ala intsony. Teo ihany koa ny tao Analamazaotra izay iasan’ny fikambanana Mitsinjo izay faritra mando.
Marihana fa ny FANC Madagascar dia manatanteraka ny tetikasa Manondro ala faharoa izay misehatra eo amin’ny tao-tsari-tan’ny ala eto Madagasikara.
Nirina R.

Horonan-tsary

Horonan-tsary


One comment on “FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Miasa amin’ny tao-tsaritany ny FANC Madagascar

  1. Pingback: FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Miasa amin’ny tao-tsaritany ny FANC Madagascar - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *