Socio-eco

FIAROVANA NY MPITSOA-PONENANA: Mbola taraiky i Madagasikara


Tsy ratsy foana ny resaka mpitsoa-ponenana. Manavotra ny ainy sy mitady fiarovana izy ireny matoa mandao ny fireneny. Olona mitsoaka ady na fanenjehana noho ny finoany, firazanany, ny vondrona misy azy, ny heviny ara-politika no antsoina hoe: mpitsoa-ponenana. Araka ny fanazavan’ny tale misahana zon’olombelona sy ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana, Belalahy Hanitriniaina fa rehefa misy ny fanenjehana any amin’ny tany misy azy dia mitsoaka ireo olona ireo. Rehefa tapitra ny fanenjehana dia tokony hiverina any amin’ny tany niaviany izy ireo. Raha ny fanarahamaso ataon’ny ministeran’ny fitsarana momba ny mpitsoa-ponenana eto amintsika dia efa misy amin’izy ireny no nody any an-tanindrazany. Misy ihany koa no nalefa any amin’ireo firenen-dehibe manaiky ny hampiantrano azy ireny.

Ankalazaina isaky ny 21 oktobra ny andro ho an’ny zon’olombelona eto Afrika. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny “fanajana ny zo fototry ny mpitsoa-ponenana, ireo nampodiana any amin’ny firenena niaviany, mpivezivezy eto Afrika”. Anisany nanamarika izany fikambanana “Focus Development” niaraka tamin’ny ministeran’ny fitsarana omaly teny Analakely. Nasaina avokoa ireo mpisehatra iraisampirenena na eto an-toerana misahana ny fiarovana ny zon’olombelona indrindra voakasiky ny resaka fitsoaham-ponenana toy ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, ny ministeran’ny atitany, ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Nivoitra nandritra ny fihaonana fa mbola vitsy ny mpitsoa-ponenana tonga eto Madagasikara raha oharina amin’ny firenana hafa mandray azy ireny. 150 olona isan-taona eo no raisin’ny CDA an-tanana, raha ny tarehimarika nomen’ny tale mpanatanteraky  ity ONG ity, Anaclet Daniel. Avy any Pakistan, Afghanistan, Syrie, RDC, Afrique Central ny ankamaroan’izy ireo. Mbola tsy manana birao handraisana an-tanana ireo mpitsoa-ponenana ny firenena malagasy ka ny ONG CDA eny Andohatapenaka no nahazo alalana avy amin’ny ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana ho an’ny mpitsoa-ponenana (UNCHR) hisahana izany. Hiveloman’ireo mpitsoa-ponenana ny fanampiana ara-bola isam-bolana avy amin’ny UNCHR. Nambaran’i Anaclet Daniel fa 198.000 Ariary no omena raha olon-tokana ary 400.000 ka hatramin’ny 500.000 Ariary ho an’ireo manan-janaka efatra na dimy. Ankoatra izany, manana zo hianatra sy hiasa ihany koa ny mpitsoa-ponenana ka anisany manome fampiofanana arak’asa ho azy ireny sy fampianarana ny ankizy ny CDA.

Anisany taraiky i Madagasikara amin’ny fiarovana ny mpitsoa-ponenana. Manana eritreritra hanomana fikaonan-doha handrafetana drafitr’asam-pirenena ny ministeran’ny fitsarana sy ny Focus Development miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra voakasik’ity raharaha ity. Ho atolotra ny governemanta io dafitra io ka rehefa ankatoaviny dia ho tanterahina.

 Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *