Socio-eco

FIAROVANA AMIN’NY KITROTRO: Efa vonona ny vaksiny ho an’ny ankizy 1,2 tapitrisa


Vaksiny fanefitry ny kitrotro ho an’ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny  sivy taona miisa  1,2 tapitrisa no efa vonona vokatry ny fiarahamiasan’ny « bureau de la protection civile et l’aide humanitaire » (ECHO) sy ny UNICEF. Naahafahan’ny UNICEF nividy vaksiny fanefitry ny kitrotro miisa 1,3 tapitrisa sy  fitaovana fanaovam-baksiny ho an’ny distrika 22 amin’ny 67 ny famatsiam-bola nomen’ny  vondrona eraopeanina  ny ECHO. Entina hanatevenana ny vaksiny ho ampiasaina amin’ny hetsika fanaovam-baksiny andiany fahatelo,  ao anatiny fifanomezan-tanana amin’ny fanaovam-baksiny ireo zaza enim-bolana ka hatramin’ny sivy taona miisa 3,9 tapitrisa mbola tsy vita vaksiny ireto fanampiana ireto. Atolotra avy hatrany ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka izany rehefa tonga eto an-toerana.

Zaza enim-bola na ka hatramin’ny sivy taona miisa 3.379.000 manerana ny distrika 67 no mbola ho atao vaksiny fanefitry ny kitrotro taorian’ny hetsika fanaovam-baksiny andiany roa teo aloha. Zaza miisa 2.108.400 no vita vaksiny tamin’ny hetsika andiany voalohany ny 14 ka hatramin’ny 18 janoary 2019. 1.142.262 kosa ny andiany faharoa izay notanterahina manerana ny distrika 22 ny 18 ka hatramin’ny 22 febroary 2019, araka ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *