Socio-eco

FIARAHAMONIM-PIRENENA 40: Mangataka ny fampitsaharana ny fananganana ny birao vaovao ny CNIDH


Natao hiaro ny zon’olombelona nefa tsy manaja ny lalàna. Hangataka eny amin’ny fitsarana mahefa ireo fiarahamonim-pirenena miahy ny zon’olombelona miisa 40 ny fampitsaharana ny fananganana ny birao vaovaon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona (CNIDH). Nambaran’izy ireo fa efa voafidy ny mpikambana mandrafitra ny birao vaovaon’ny CNIDH nefa mbola misy olona roa lany tamin’ny fifidianana nataon’ny fiarahamonim-pirenena miahy ny zon’olombelona tsy mbola namoahana didy manendry azy ireo. 11 no mandrafitra ny CNIDH. Dimy amin’ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Ny volana novambra 2020 no nanaovana ny fifidianana ireo olona dimy ireo ary teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fitsarana. “Dimy izahay no lany tamin’ny fifidianana tamin’ny 27 novambra 2020. Ny roa  nalatsaka tsy nomena décret de nomination”, hoy  Andrianady Bakoly, commissaire anisany tsy nahazo « décret de nomination ». Nambaran’ireto fiarahamonim-pirenena ireto fa rafitra natao hiaro ny zon’olombelona ny CNIDH kanefa tsy manaja lalàna. « Tsy ho tanteraka mihitsy izany fampanajana ny zon’olombelona kanefa ny lalàna aza tsy hajaina », hoy hatrany i Andrianady Bakoly.

Manao antso avo izy ireo ny hamoahana ny didy manendry ireo olona roa lany tamin’ny fifidianana.  “Ho atao toy tsy misy io birao vaovao io. Manao serment dia averina ny fifidianana ny birao vaovao”, Raparison Eric,mpandrindra ny Sehatra Iombonan’ny Fananantany (SIF) mivondrona ao amin’ny Rohy. “Mitodika amin’ny Filohan’ny Repobika izahay mba hanaramaso tsara fa tsy hanasonia  izay mety ho fitaky ny olona. Raha mamaky ny lalàna dia tokony tsy hisaratsaraka ny fanendrena ireo olona ao anatin’ ireo rafitra”, hoy  izy.  Nohamafisin’ny solontenan’ny  fikambanana Action sociale pour Développer (ASD), Ravalitera Jacques Michael fa « tsy hipetra-potsiny amin’ity raharaha ity. Mila manaja lalàna”.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *