Socio-eco

FIARAHAMIASAN’NY CNAPS SY NY ORANGE: Manamora ny fandoavana ny latsakemboka sy ny fiahiana ara-tsosialy


Manan-danja. Tontosa ny 02 septambra 2020 teny Ampefiloha ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS (Caisse Nationale de la Prévoyance Sociale) sy ny Orange Money Madagascar. Vokatr’ity fiarahamiasan’ny tonta ity dia afaka mandoa ny latsakemboka sy misitraka ireo fiahiana ara-tsosialy toy ny fisotroan-dronono, volan-jaza, vidin-takaitra ary indrindra ny « tsinjo fameno » amin’ny alalan’ny Orange Money ny mpikambana ao amin’ny CNAPS. “Zava-dehibe ity andro ity satria hanampy ny CNAPS amin’ny fanatsarana  ny ivon’ny asa atao dia ny fitantanana ny latsakemboka sy ny fitsinjarana ireo fiahiana ara-tsosialy araky ny filàn’ny mpikambana na aiza misy azy ireo manerana an’i Madagasikara”, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNAPS, Mamy Rakotondraibe nandritra ny lahateniny. Nambarany ihany koa fa dingana lehibe hirosoana amin’ny fampiasana ny teknolojia izao fiarahamiasa izao. “Isaorana ny Orange Madagascar amin’ny fanohanana ataony momba ity fanavaozana ity (…) Raha maniry ny tsirairay dia  afaka manaraka akaiky ny vola naloa, ny zony ao amin’ny CNAPS amin’ny alalan’ny finday”, hoy izy. Nohamafisin’ny tale Jeneralin’ny Orange Madagascar sady Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Orange Money, Degland Michel fa “hanamora ny fandoavan’ireo orinasa ny latsakemboka ny fampiasana ny Orange Money satria efa misandrahaka manerana an’i Madagasikara.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *