Socio-eco

FIARAHAMIASA AMIN’NY “FOR TWELVE SCHOOL”: Polisim-pirenena 26 mahay mifehy ny teny sinoa


Tsy ho sahirana intsony ny polisim-pirenena rehefa misy raharaha momba ny sinoa. Polisy miisa 80 nahazo fampianarana teny sinoa maimaim-poana noho ny fiarahamiasan’ny sampandraharahan’ny fiofanana sy ny fikarohana (DFCR) ao amin’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka sy ny sekoly « for twelve school ». Notontosaina omaly 21 mey 2019 ny famoahana ny andiany voalohany tamin’ireo mpiofana. Polisim-pirenena 26 no nozaraina diplaoma tamin’io fotoana io. Nandritra ny efa-taona izy ireo no nianatra ary efa mahay mamaky, miteny ary manoratra teny sinoa ary ambony ny fahaizan’izy ireo rehefa avy nandalo fanadinana teny amin’ny “Institut Confucius”, eny amin’ny oniversite Antananarivo, araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny sekoly “for twelve school”, Razafindrainibe Andrianirina. Nambarany fa nanomboka tamin’ny taona 2015 ny fiarah-amiasan’ny roa tonta ary nohavaozina indray izany tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia.

Manome fiofanana ny mpitsara, ny zandary ihany koa ny sekoly “for twelve school”. Nambaran’ny tompon’ny sekoly fa nipetraka tany Allemagne ny tenany ary resy lahatra tamin’ny fahaizan’ireo  mponina tany maneho ny fitiavan-tanindrazana. Ka izany no nodiany teto Madagasikara mba  ahafahany manao tahaka izany. Ohatra iray hita maso ity fampianarana maimaim-poana ny teny sinoa ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *