politique

Fiangonan’ny FFKM, Fanjakan’ny HVM


Io àry ny FFKM fa hiverina matanjaka indray amin’ny fampihavanana, ary ny HVM kosa dia hanambatra ny heriny rehetra handoko ho maga ranoiray ny lapan’ny fitaratra etsy Anosy. Efa ela  no nitsabaka teo amin’ity resa-pinoana ity Ra-fanjakana.  Tamin’ireny fotoana rehetra ireny dia tsy hay mazava  na volan’ny fitondrana  no nanaganana ny fiangonana na volan’ilay be finoana manokana. Tsara ny manamarika sy mamerina ny tantara fa nanakoako eran’ity Madagasikara ity  tamin’ny andron’ilay Ramose taloha fa nitsabaka sy nampifangaro loatra ny asan’ny fiangonana ny  fanjakana foibe izay notarihiny tamin’izany fotoana. Niparitaka  nankany amin’ny fiangonana ny « volany » ka nahatonga fanakianana mivaivay fa mananararaotra loatra ny fiangonana ny mpitondra fanjakana ka manahirana  ny manavaka ny tokony hataony sy ny adidiny. Tsy midika akory ny fanamarihana atao hoe : Tsy mahazo mivavaka sy tsy mahazo manaraka ny finoana tiany  ny mpitondra tsirairay. Tsy izany loatra angamba no anton’ny fanovàna nifanotofana sy nifanotronana tamin’ny « tolona » nifanesy fa mba ho fampisarahana mazava tsara ny adidy aman’andraikitry ny mpitantana ny fanjakana, sy ny adidin’ny fiangonana mba hiandry ny ondriny. Koa inona ihany àry ity fanomezan-tanana mifanesisesy natao ho an’ny fiangonana tato ho ato  ity? Raha niezaka nikaroka ny fampitambarana teny amin’ny CCI ny FFKM dia nanepoka tany fotsiny ireo rehetra niantefan’ny antson’izy ireo hatramin’izao.  Dian ivory indray ry zareo nandritra ny zaikabeny farany teo fa “hampihavana, hono, e!


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *