Ho fanasavoana ny mpiara-belona dia mikarakara fizaham-pahasalamana sy fizarana fanafody maimaim-poana ny departemanta ny fahasalamana ao amin’ny fiangonana Advantista eto Madagasikara. Karazana aretina maro no hozahana amin’izany mandritra ny roa andro toy ny aretin’ny fo, ny lalan-drà, ny momba reny sy ny zaza, ny areti-koditra, ny nify sy ny ativava, ny maso, ny diabeta, ny VIH/SIDA. Hisy ihany koa ny didim-poitra faobe sy fizarana toro-hevitra maro momba ny fahasalamana, hoy ny dokotera Rambinintsaotra Sandra. Hasaina ho tonga ihany koa ireo mila fandidiana momba ny taolana, ny taova. Ankoatra izany dia mampiavaka ny hetsika “Antananarivo Salama” ny fisian’ny “expo santé”. Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny departemanta ny fahasalamana, Rafidinjanahary Pierrot dia natao hijerena ny tahan’ny tavy sy ny tahan’ny rano ao amin’ny vatan’ny olana iray mitaha amin’ny lanjany, halavany, ary amin’ny maha lahy sy maha vavy azy, hijerena ny tosi-drà sy ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatana ary hanomezana toro-hevitra amin’ny fampiasàna ireo fanafody valo maimaim-poana avy amin’ny Andriamanitra ny “expo santé”. Ahitana trano heva mampiranty ireo sakafo ara-pahasalamana sy ny boky mirakitra ny toro-hevitra ara-pahasalamana ihany koa mandritra ny hetsika. Ny alatsinainy 13 sy ny talata 14 mey 2019 eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely no hanatanterahana izany ary natao ho an’ny daholobe na avy eto Antananarivo na avy amin’ny faritra ny Antananarivo Salama. Hiara-hisalahy handray ireo mpitsidika ireo dokotera, mpitsabo manam-pahaizana manokana sy mpitsabo mpanampy avy amin’ny fiangonana.
Nambaran’ny mpikarakara fa noho ny fahitana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fitsaboana ny aretina mahazo azy sy ho fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, ny hanomezana ny fitsaboana maimaim-poana no anton’izao hetsika izao.
Lynda A.