Socio-eco

FIAHARAHAMIASAN’NY AFHAM SY GFEM: Ho fanomezana asa ny vehivavy sembana


Tontosa omaly 18 aprily 2019 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny fikambanana AFHAM (Association des Femmes Handicapées de Madagascar) sy ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar).  Zava-kendren’ny fiarahamiasa ny fanomezana asa ho an’ireo vehivavy sembana. Nanao ady sisika tamin’ireo mpandraharaha ny AFHAM mba hanome asa ho an’ireo vehivavy sembana ao anatin’ny fikambanana. Namaly ny antso ny GFEM, fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha. « Hanao izay tratry ny herinay izahay hanome asa ho an’ireo vehivavy manana fahasembanana. Efa eo am-pelantananay ny mombamomba azy ka handresy lahatra ireo vehivavy mpandraharaha mpikambana ao amin’ny GFEM izahay handray azy ireo », hoy ny filohan’ny GFEM, Razakaboana Fanja. Nambarany fa 200 ny mpikambana ao amin’ny GFEM ary misy amin’ireo vehivavy mpandraharaha ireo manana orinasa roa, telo, dimy.

500 ny isan’ny mpikambana ao amin’ny AFHAM manerana an’i Madagasikara. Eo amin’ny sehatry ny asa tanana (rary, zaitra…) no tena hiasan’ireo vehivavy sembana ao amin’ny AFHAM. Asa maro no afaka atao amin’izany toy ny « triage », « empaquetage», « secrétaire », « standardiste », « réceptionniste », « comptable », « femme de ménage » sy ny maro hafa, hoy ny Filohan’ny AFHAM, Razafinjato Fela. Mandritra ny roa taona ny faharetan’ny fiarahamiasan’ny roa tonta. Maniry ny filohan’ny AFHAM mba ho atao lalàna ny fampidiran’ny orinasa ny vehivavy tra-pahasembanana.

Lynda A.


One comment on “FIAHARAHAMIASAN’NY AFHAM SY GFEM: Ho fanomezana asa ny vehivavy sembana

  1. Pingback: FIAHARAHAMIASAN’NY AFHAM SY GFEM: Ho fanomezana asa ny vehivavy sembana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *