politique

FFT : Manaiky ny olana ara-toe-karena sy ara-tsosialy mianjady amin’ny vahoaka.


Tsy mitsahatra midady fomba hanehoana ny fanohanana ny filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny mpomba sy ireo mankasitraka ny fomba fitondrany ny firenena. Nitsangana ny Sabotsy 05 Novambra 2016 teo ny vovonana FFT na ny Firaisankina ho Fampandrosoana ny tanindrazana ivondronan’ireo olom-boafidy maro lafy eto amin’ny firenena sy ireo minisitra.

Fanambarana : Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY ( Solombavambahoaka )

Manaiky izy ireo fa misy tokoa ny olana ara-toe-karena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena Malagasy. Noho izany, vonona ny hifanome tanana sy hifanakalo hevitra sy hifampihaino ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, nitanisa ny dingana sy ireo vitan’ny fitondrana tao anatin’ny 3 taona latsaka. Nambaran’izy ireo fa nahatafaverina an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fametrahana ireo andrim-pnajaka, tafaverina ny AGOA, fazahoana ny famatsiam-bola avy amin’ny FMI, vinavinaina hiakatra 5% ny harin-karena faobe raha 4% izany teo aloha, fizarana ireo « kit scolaire » ho an’ny zaza Malagasy, fanomezana vatsin’ankohonana, fanamboaran-dalana, famatsiam-bola avy amin’ny JK, fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM 10000 isan-taona, vaksiny polio.

Rehefa jerena ireo zava-bitan’ny fitondrana ireo tao anatin’ny 3 taona tena azo ambara fa tsy hitondra fandrosoana ho an’ny vahoaka Malagasy ity fitondrana ity satria tsy misy fijerena ny sosialim-bahoaka. Raha nampandroso an’i Madagasikara ireo vola trosaina izay azo avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hatrizay sy mbola tohizan’ny mpitondra ankehitriny dia tsy ohatr’izao ny farim-piainan’ny Malagasy.

Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *