Socio-eco

FETIN’NY NOELY: Manomboka ny 15 novambra 2021 ny fihenam-bidy amin’ny ireo vokatra Startimes rehetra


Fomba fanaon’ny Startimes ny manao fihenam-bidy amin’ireo vokatra misy ao aminy rehefa ankatoky ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona. Manomboka ny 15 novambra 2021, hisy fihenam-bidy avokoa ireo entana ao amin’ny Startimes. Ankoatra ny décodeur sy ny televiziona nomerika nahafantarana azy hatramin’izay dia manana vokatra ampiasaina  ao an-tokantrano toy ny kojakojan-dakozia sy ny maro hafa ny Startimes. “Nanomboka tamin’ny taona 2020 vokatry ny fihibohana no nisy ny vokatra Startimes Go. Fanaterana maimaim-poana ny entana any amin’ireo mpanjifa no nanombohana azy tamin’izany fa amin’izao efa misy vokatra hafa ary latsaky ny eny an-tsena ny vidiny”, hoy ny Zafera Joyce, tomponandaikitry ny serasera eo anivon’ny Startimes Madagasikara. Amin’ity fetin’ny noely ity, afaka mandray anjara amin’ny lalao fisarihana ahazoana loka maro ny mpanjifa rehetra mandalo any botika.

 Ankoatra izany, ho hita eny amin’ny mpaninjara Startimes ny vokatra vaovao toy ny “panneaux solaire” sy fitehirizana aratra amin’ny volana desambra 2021. Mbola mitohy ny fanomezana ho an’ny mpanjifa misafidy ny bouquet basic na Smart ka manao réabonnement roa volana. Mahazo abonnement roa volana maimaim-poana amin’ny bouquet ambony izy ireo. Mahazo 10 andro fanampiny kosa ireo manao réabonnement roa volana amin’ny bouquet Super na Classic. Nambaran’i Zafera Joyce fa anisany fanatsarana nentin’ny orinasa noho ny fankalazana ny fahadimy taonany ny fampidirana ny chaînes Radio Plus TV sy ny GasyStar mandefa fanatanjahantena sy ny kolontsaina eto Madagasikara. “Anisany nahaliana ny olona ny fandefasana mivantana ireo  lalao ara-panatanjahantena nataon’i GasyStar”, hoy hatrany ny fanazavany.  Eo ihany koa ny fandefasana ny Novelas filipiana fa amin’ny tena gasy mitondra lohateny hoe “Rhian”. Taorian’ny fisokafan’ny masoivoho tao Tanambao V Toamasina dia ho avy tsy ho ela ny any Antsirabe ho fanatonana hatrany ny mpanjfa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *