Socio-eco

FETIM-PIRENENA MALAGASY: Efa misy chaines 25 isa kadoa ao amin’ ireo bouquets Startimes


Zava-baovao. Afaka andro vitsy sisa dia higadona ny fankalazana ny faha-60 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantana. Ao anatin’ny hafaliana tanteraka no hanomezan’ny Startimes 25 chaines kadoa, ao anatin’ireo “bouquets” rehetra misy ao aminy ho an’ny vahoaka Malagasy. Natao ho an’ny sokajin’olona rehetra ao anatin’ny fianakaviana izany, toy ny chaine NGC sy NGW natokana ho an’ny “documentaire”, ESPN 1 sy ESPN 2 ho an’ny mpankafy fanatanjahantena ary ST Afro sy Nina Novelas kosa ho an’ny mpanaraka “série”.  Hanamarika ity volana  ity ihany koa  ny horonantsary  satria misy ny chaine vaovao mandefa izany. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra dia chaine amerikana tsy manam-paharoa eto Afrika ny Warner TV izay mandefa sarimihetsika sy “série” vokarina any Etazonia fa amin’ny teny frantsay. Ankoatra izany dia nitombo ny chaine mpandefa vaovao ao amin’ity televiziona nomerika  ity noho ny fidiran’ny CNN sy Sky News.  Nanatevin-daharana ny resaka mozika ihany koa ny Mélodie d’Afrique.

Amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia manampy amin’ny fiarovana ny mpianatra mijanona any an-trano ny Startimes. Afaka mampitombo fahalalana sy mialavoly ireo ankizy  amin’ny alalan’ny fijerena ny St Kids sy Baby TV. Ho an’ny mpitia baolina kitra dia efa manomboka miverina tsikelikely ireo fifaninanana, toy ny coppa italia sy Bundesliga izay efa nalefan’ny Startimes hatramin’izay ary amin’ny teny frantsay sy malagasy.

Nirina R.


One comment on “FETIM-PIRENENA MALAGASY: Efa misy chaines 25 isa kadoa ao amin’ ireo bouquets Startimes

  1. Pingback: FETIM-PIRENENA MALAGASY: Efa misy chaines 25 isa kadoa ao amin’ ireo bouquets Startimes - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *