Socio-eco

FETIM-PIRENANA MALAGASY: 1000 mahery ireo zokiolona nomena solombodiakoho tao Alasora


Nanomboka ny 24 jona ary nitohy ny 25 jona 2021 ny hetsika fanomezana solombodiakoho ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona ao amin’ny kaominina Alasora.  Natolotra isam-pokontany izany ho fanajana ny fepetra tsy mahazo mamory olona mihoatra ny 200. Vary sy paty no vatsy nomena azy ireo. “Zokiolona 1000 mahery no misitraka izany ho an’ity fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny fahalaeovantena ity”, hoy ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy. Nambaran’ny Ben’ny tanàna fa “tamin’ity taona ity dia noezahina ho volan’ny kaominina madiodio no nividianana ireo fanomezana  izay nomena androany  ary tsy ny fizarana solombadiakoho ho an’ny zokiolona ihany fa teo ihany koa ny didim-poitra faobe izay efa nanomboka tamin’ny herinandro nanerana ny fokontany”.  Ankizy 300 teo no natao didim-poitra faobe ary nifarana ny 25 jona 2021 ity hetsika ity. “ 15 tapitrisa Ariary teo no tetibola natokan’ny kaominina  nanatanterahina ny hetsika ara-tsosialy nandritra ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny fahalaeovantena”, araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàn’ny kaominina Alasora.

Ra-Nirina


One comment on “FETIM-PIRENANA MALAGASY: 1000 mahery ireo zokiolona nomena solombodiakoho tao Alasora

  1. Pingback: FETIM-PIRENANA MALAGASY: 1000 mahery ireo zokiolona nomena solombodiakoho tao Alasora - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *