Socio-eco

FEPA ANDIAN’NY FAHA-11 : Hiara-dalàna ny sehatry ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena


Miezaka manolotra zava-baovao ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny Malagasy Professionnel de l’Elevage ( MPE ).

Efa andiany faha-11 ny tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena ( FEPA ) amin’ity taona ity. Atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka ny 30 Mey ka hatramin’ny 02 Jona 2019 ny hetsika.

« Miavaka ny hetsika amin’ity andiany faha-11 satria ho hita eny ny sehatry ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena raha fiompiana ihany izany nandritra ny andiany teo aloha », hoy ny PCA ny MPE, Rabearivelo Andriamananarivo. Hasongadina amin’izany ny fifamenoana eo amin’ny sehatry ny fiompiana, jono ary ny fambolena. Manana ny mampiavaka azy manokana ny FEPA amin’ity andiany ity satria hahazoan’ny mpitsidika fizarana traikefa sy fiofanana maimaim-poana.

Hisy ihany koa ny famelabelarana arahina adi-hevitra momban’ny loha-hevitra mahaliana maro. Hamoraina ny fidiran’ny mpianatra hitsidika ny foara. Ankoatra izay dia hisy ny sehatra natokana handrisiana ny fanjifàna ireo vokatra mpampiranty ireo. Tsapa fa mbola kely ny fihinan’ny Malagasy ny fiompiana satria eo amin’ny trondro dia 2,57 kilao isaky ny olona ao anatin’ny heritaona. Kely dia kely izany raha miohatra amin’ny mponina atsy Kaomoro izay 22 kilao, ny ao Seisely 60 kilao isaky ny olona ao anatin’ny heritaona. Ampirisihana  noho izany ny vahoaka Malagasy ho avy sy hanjifa ireo vokatra ampirantiana ireo eny.  Trano eva maherin’ny 200 no ho hita eny an-toerana mandritra efatra andro.

Hisy mpampiranty maro avy any ivelany amin’io hetsika io. Vokatra maro noho izany no azo jifaina ho entin’ireo mpamokatra isan-karazany. Eo ihany koa ny fisian’ny fitaovana sy kojakoja ampiasaina enti-mamokatra amin’ireo sehatra telo ireo. Ahitana zezika sy masom-boly, vokatra voahodina, asa-tanana, ny sehatra miahy ny ara-bola, fampiarntiana biby fiompy isan-karazany, fitaizana alika… Tsy miala amin’ny hetsika toy izao ny fialam-boly maro isan-karazany, fitaingenana soavaly ary ireo toerana fisakafoanana. Marihana fa ny FEPA dia tohanan’ny AR BIOCHEM, ACTIVO ho fanatsarana ny tanjon’ny hetsika.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *