Socio-eco

Feno 5 taona ny FANDAHARANA NO STRESS : Ao amin’ny RTA no fotoana…


Amin’ izao vanin’ andro izao , noho ny roto roton’ ny andavanandro dia ny manjoy ny fandaharana mandeha amin’ ny ireny televizionina ireny no fialan – tsasatra ankafizin’ ny daholobe. Isan’ izany ny fandaharana ara kolontsaina sy fialamboly « No Stress », izay feno 05 taona tamin’ ity taona ity. « Maro ny dingana nolalovina ho fanatsarana hatrany ny kalitaon ‘ ny vokatra atolotra ny mpijery. Nanomboka ny Alakamisy lasa teo dia ao amin’ ny  « Rta » ny fandaharana « No Stress », no mandeha isaky ny herinandro, ny Alakamisy amin’ ny 8:15 alina ary ny Sabotsy amin’ ny 1:30 atoandro ny famerenana. Ary ny « No Stress Vazo », dia mandeha isan’ andro ny Alatsinainy hatramin ny Alahady amin’ ny 6:25 maraina » hoy I Fanja Rajaonarivony ny tompon’ andraikitra ny fandaharana.

Araka ny fantantra moa dia zana – pandaharana samihafa no hita ao anatin’ ny fandaharana « No Stress » toy ny fanadihadian, ny interview handraisana vahiny mpian tsehatra eo amin ‘ ny resaka fialamboly sy kolontsaina, …  « Maro zava – baovao mahafinaritra ahy mandeha ao amin’ ireto fandaharana roa ireto. Mirary fahombiazana hatrany ho an’ ny fandaharana « No Stress sy No Stress Vazo » » hoy i Onja. Ho an’ ny serasera dia misy ny pejy fb : « No Stress TV MADA .

« Isany ny tena ankafiziko ireo fandaharana roa ireo, satria manome vahana kokoa ny mpanakanto sy ny fivelaran’ ny mozika. Ahatratra ny ela indrindra re fa toy ny rano sy vary ny mozika sy ny fandaharana « No Stress », tsy afa – misaraka » hoy i Farakely.

«« No Stress…Fiara – miasa nahitam – pahombiazana hatrany, sehatra fifampizarana ho an’ ny mpanakanto sy ny mpankafia azy… Fankaherezana ho an ‘ ny 5 taona manaraka » hoy i Samoela.

VIDEO:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *