Socio-eco

FARITRA VAKINANKARATRA: Avo be ny tahan’ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo


Nosafidiana manokana ny faritry i Vakinakaratra nanatanterahana ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo andiany faha-14, noho izy faritra mbola ahitana tahan’ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ambony be indrindra kanefa faritra mamokatra.
65% ny zaza latsaky ny dimy taona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka araka ny salan’isa nomen’ny ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN). Ny zoma 06 sy ny sabotsy 07 jolay 2018 lasa teo nanoloan’ny Gare Antsirabe no nanamarihana ny JNN tamin’ity taona ity.
Nanatrika ny fanokafana ny hetsika izay nokarakarain’ny ONN teo ambany fiahian’ny fiadidian’ny primatiora ny praiministra Ntsay Christian. Mba hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo dia nampahafantarina ny mponin’ny vakinakaratra ny fomba fisakafoanana feno otrikaina.
Nanome toro-hevitra ny mpitsidika momba ny sakafo lavorary sy maroloko ireo trano heva manodidina zato nandray anjara tamin’ny JNN. Nifanindran-dalana tamin’ny fampirantiana ihany koa ny fambelabelarana narahina adi-hevitra momba ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Lohahevitra noresahana tamin’izany ny famadihana ireo bibikely manan-karena otrikaina ho calcium, protéine ho fanampin-tsakafo, toy grillon (angelikara), valala (valala mena elatra, mandrongatra).
Lynda.A


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *