Socio-eco

FARITRA MELAKY: Tafaverina avokoa ny omby lasan’ny dahalo


Nitrangana asan-dahalo tany Ambatomainty faritra Melaky tamin’ny 19 Febroary 2019. Tamin’ny 4 ora maraina no nitrangan’izany tao amin’ny tanànan’ Ambonarabe Bedaba.  Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby 280. Dahalo miisa 30 lahy no nanao ny asa ratsy ka 20 eo ho eo ny basy nentin’izy ireo. Tao amin’ny kizo antsoina hoe “Kelilalina” no nisy azy ireo sy ny omby  tamin’ny mitataovovonana  tamin’io andro io ihany.

Sisintany iraisan’ny distrikan’Ambatomainty  sy  Tsiroamandidy io toerana io. Vinavinaina  hizotra hiakandrefana eo anelanelan’ny Mahatsinjo sy Orimbato ny lalan’ny omby raha ny nambaran’ireo mpanara-dia. Niantso fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana sy izay toby miaramila natao hiady amin’ny asan-dahalo sy ny zandarimaria ao Bongolava izy ireo. Nandray ny andraikiny ireo mpitandro filaminana isan-tsokajiny  ka fantatra araka ny valan-dresaka nataon’ny tomponandraikitry ny zandarimariam-pirenena omaly 21 Febroary 2019 fa tafaverina avokoa ireo omby lasan’ny dahalo ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *