Socio-eco

FARITRA ATSIMO ATSINANANA: Efa zatra mampiasa “agro-écologie” ireo tantsaha ao Iandraina


“Miova ny fiainanay tamin’ny fampiasana ny teknika”. Nanomboka tamin’ny taona 2016 no nampiasa ny “agro-écologie” na ny fambolena maharitra ny fikambanana Te-handroso, ao amin’ny fokontany Iandraina, kaominina Vohimasy, distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana. FARITRA ATSIMO ATSINANANA 2Ny GSDM, matihanina amin’ny “agro-écologie”, tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM, no nampiofana ireo tantsaha mpikambana ireo karazana teknika ampiasaina amin’izany. “Faly satria nahazo tombontsoa, namokatra ilay fambolena, nitombo ny teknika amin’ny resaka fambolena. Tsy mitovy ny famokarana raha oharina amin’ny fambolena nenti-paharazana.  Taloha tsy misy zezika fa tonga dia asaina ny tany. Mitombo ny vokatra tamin’ny fampiasaina ny teknika agro-écologie satria miaina amin’ny zavatra misy ny zavatra amboarina”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Augustin. Tokantrano 10 no mpikambana ao amin’ny Te-Handroso. Nambarany fa efa zatra amin’ny agro-écologie izy ireo. “Hitanay tsara ny fivoarana, misy ny fidiram-bola. Amin’ny taoniny ny bokala (voamanga) sy ny ravina bokala miakatra isan-taona.  Mivarotra bokala, kazaha(mangahazo) izahay, manana sakafo hohanina, miova ny fiainanay tamin’ny fampiasana ny teknika”, hoy izy. Vokatry ny fahitana izany dia misy amin’ireo tantsaha manodidina no mampihatra avy hatrany ireo teknika rehefa avy nampita izany ny fikambanana.

Valan’omby nohatsaraina

FARITRA ATSIMO ATSINANANA 3Misedra olana ihany koa anefa ireo tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana Te-Handroso. Vokatry ny tsy fandriam-pahalemana dia lasan’ny dahalo tamin’ny 08 oktobra 2020 ny ombin’izy ireo 11 isa. “Vao vita ny valan’omby nohatsaraina dia nisy nangalatra ireo omby ireo.  Tsy mahakivy anay fikambanana anefa izany fa tsy maintsy hiezaka hamerina  ny omby izahay ahazoana zezi-pahitra be entina hamokarana”, hoy ny mpitam-bolan’ny fikambanana, Ernest. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny GSDM faritra Atsimo Atsinanana, Rakotoherimandimby Réné fa ao anatin’ny teknika “agro-écologie” ny fanatsarana ny valan’omby mba ahazoana zezika tsara sy ampy amin’ny fambolena. Tombontsoa azo avy aminy  ihany koa ny fahazoana zezika entina hanatsarana ny fambolena na hanaovana kompôsta ary fitandroana ny fahasalaman’ny biby.  Tsy nahazatra ny tantsaha taty amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny valan’omby misy tafo sy beton ny fanambaniny. “Rehefa avy ny orana dia tonga hatrany amin’ny lohalikin’ny omby rano, lasa mifangaro amin’ny tany ny zezika ka lasa ny tsirony. Rehefa atao beton anefa ny fanambaniny ary misy tafo dia mankany  amin’ny lavan-jezika  ireo zezika ary tsara ny kalitaony ary afaka entina hanatsarana ny fambolena”, hoy ny teknisian’ny GSDM, Herinionja Toky. Nohamafisin’i Ernest fa ny fampiasan’izy ireo ny zezika ranony dia nahomby, tsy misy aretina ny fambolena  ary mahatanty ny toetr’andro, lasa mamokatra foana raha oharina tamin’ny taloha. Nilaza ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Kofoky Christian fa “olan’ny faritra Atsimo Atsinanana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fiovan’ny toetr’andro. Vahaolana amin’izany ny agro-écologie”.

Lynda A.


One comment on “FARITRA ATSIMO ATSINANANA: Efa zatra mampiasa “agro-écologie” ireo tantsaha ao Iandraina

  1. Pingback: FARITRA ATSIMO ATSINANANA: Efa zatra mampiasa “agro-écologie” ireo tantsaha ao Iandraina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *