Socio-eco

FARITRA ANALAMANGA: Nitondra fanampiana ho an’ireo zaza nania


Efa mpiara-miasa akaiky amin’ny “aumônerie FJKM” ny faritra Analamanga ho fanampiana ireo marary any hopitaly, ireo ankizy taizana eny amin’ny toby fanabeazana…Tamin’ity fetin’ny faran’ny taona 2018 ity, nidina teny amin’ny akany fitaizana zaza nania Anjanamasina Ambohidratrimo mihitsy  ny lehiben’ny faritra Analamanga Ndranto Rakotonanahary sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanolotra fanampiana ho an’ireo ankizy beazina ao amin’ny akany fanabeazana Mandrosoa miisa 87 ny faritra androany 27 desambra 2018. “Ankizy beazina ireto ankizy ireto ary rehefa miverina eny amin’ny fiarahamonina izy ireo dia tokony ho olom-pirenena azo antenaina. Mila ampaherezina ireo ankizy ireo”, hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga. Voamaina, vary, tee-shirt ary baolina no natolotra ho an’ireto ankizy lahy beazina ao amin’ny akany Mandrosoa ireto. Nanamafy i Ndranto Rakotonanahary fa mbola hanatitra fanampiana ho an’ireo ankizivavy taizana eny Antanimora ny ekipan’ny faritra Analamanga mba hahafahan’izy ireo miatrika ny fetin’ny faran’ny taona.

Tsy irery

“Mihoatra amin’ny isa zakan’ny akany fanabeazana Mandrosoa ireo  ankizy ato amin’izao”, hoy ny tale ny akany, Harimanjato  Ranaivoson. Nambarany fa miovaova ny isan’ireo ankizy satria misy ny miditra ary misy ny afaka.  Zava-dehibe ho azy ireo ny hetsika nataon’ny faritra Analamanga. “Amin’izao fety izao, mahatsiaro ireto ankizy ireto fa tsy  irery. Hery ho an’ny ankizy sy ny mpanabe ihany koa izao”, hoy hatrany ny talen’ny akany fanabeazana Mandrosoa eny Anjanamasina.  Araka ny fanampim-panazavana nomeny, ireo ankizy tandindomin-doza sy enjehin’ny lalàna no beazina eny akany fanabeazana Mandrosoa. Hita ao ireo ankizy nangarom-paosy sy nirenireny. 10 taona ny kely indrindra ary 17 taona ny lehibe indrindra. Nohamafisin-dramatoa Harimanjato  Ranaivoson fa ambany dia ambany ny fari-pahaizan’ireo ankizy ka  tsy mandalo fampianarana vakinteny sy kajy izy ireo. Ho an’ireo nianatra dia manohy ny fianarany. Misy ihany koa ny fampianarana arak’asa toy ny fiompiana, fambolena, fanamboarana trano. Ho fanamorana ny fampidirana ireo ankizy  nania eny anivon’ny fiarahamonina no tanjona.

Lynda A.


One comment on “FARITRA ANALAMANGA: Nitondra fanampiana ho an’ireo zaza nania

  1. Pingback: FARITRA ANALAMANGA: Nitondra fanampiana ho an’ireo zaza nania - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *