Socio-eco

FARITRA ANALAMANGA: Mitohy ny fampitaovana an’ireo kaominina


Ho fanohizana ny fiarahamiasa, nanome fampitaovana ho an’ny distrika an’Ankazobe indray ny eo anivon’ny faritra Analamanga. Vao andro vitsivitsy izay, nanolotra simenitra 10 taonina ho an’ny distrika an’Ambohidratrimo ny faritra Analamanga ary nampanantena ny lehiben’ny faritra, Ndranto Rakotonanahary tamin’izay fotoana izay fa mbola hitohy ny fizarana fampitaovana ho an’ireo distrika hafa. Mbola nilaza ihany koa izy fa ankoatra ny simenitra dia hanolotra vy, tafo fanitso ny faritra. Tanteraka izany ankehitriny satria anjaran’ireo kaominina 11 ao amin’ny distrika an’Ankazobe indray no nahazo simenitra enina taonina, vy, tafo fanitso 180 isa.

Nambaran’ny tale kabinetra lefitry ny faritra Analamanga, Michaela Razafison fa entina hanampiana ireo kaominina amin’ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa ilaina maika hiatrehana ny fotoam-pahavaratra ireto fitaovana ireto. Nisy ihany koa fanolorana dabilio ho an’ny distrikan’Ankazobe. Ny 12 desambra 2018 ny faritra no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fampitaovana ireo. Tamin’io fotoana io, nankasitraka ny faritra ireo ben’ny tanàna avy ao amin’ny distrika an’Ankazobe. “Ao anatin’ny filàn’ny kaominina mihitsy izao fampitaovana izao. Fitaovana tandrify ny filàn’ny kaominina ireo fanampiana avy any amin’ny faritra satria entina hananganana sy hanatsarana ny foto-drafitr’asa. Isaorana be dia be ny faritra satria tsy vao izao izy no nanampy ny kaominina fa efa fanaony hatramin’izay”, hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankazobe.

Lynda A.


One comment on “FARITRA ANALAMANGA: Mitohy ny fampitaovana an’ireo kaominina

  1. Pingback: FARITRA ANALAMANGA: Mitohy ny fampitaovana an’ireo kaominina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *