Socio-eco

FARITRA ANALAJIROFO: Ny 11 jolay ny fanokafana ny taom-piotazana.


Anisany fampidiram-bola an’ny faritra Analajirofo ny fanondrana lavanila mankany ivelany. Misy ny ampahany vola miditra amin’ny kitapom-bolan’ny faritra sy ny kaominina. Manana ny enti-manana hampandrosoana ny tanana ny faritra fa indrindra kaominina. Anterivava : Jacques RAMAROSON

Amin’ny 11 jolay  ho avy izao ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana 2017  ny voly lavanila raha ho an’ny faritra Analajirofo. Nambaran’ny lehiben’ny Faritra, Jacques RAMAROSON fa efa  voalamanina avokoa fenitra rehetra mandritra ny fiotazana. Manomboka any amin’ny fitandroana ny filaminana izany.

Mampalaza faritra Analajirofo ny voly fanondrana lavanila. Nandritra ny fivoriana niarahany tamin’ireo Lehiben’ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara, nifanakalo hevitra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny lavanila ny tenany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *