Anisan’ny hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny resaka lavanila ny faritra Analajirofo. Mba iatrehana ny taom-piotazana amin’ity taona ity,manomboka mametraka drafitra mati-paika hiadiana amin’ny halatra lavanila ny eo anivon’ny faritra. Efa eo am-panomanana ny planina hiatrehana ny taom-piotazana lavanila ny faritra amin’izao fotoana. Mba hanamafisana izany dia efa mandeha ny fiarahamiasa miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka”, hoy i Jacques RAMAROSON, Lehiben’ny Faritra Analajirofo.
Ankoatra izany, am-panarenana ny foto-drafitra asa simba sy potiky ny rivo-doza ENAWO ny faritra Atsinanana. Araka ny fanampim-panazavana nomen’ny lehiben’ny faritra ihany, saika ny 90%n-ny foto-drafitra asa, fambolena…no ravan’ity loza voajanahary ity.
Nirina R.