Socio-eco

FAPBM: Voasoroka ny fanimbana ny faritra arovana


 Vola mitentina 7,5 miliara Ariary nanampiana ireo mponina miankin-doha amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara. Dingana voalohany hiarovana ny vala-java-boahary ny fanampiana ireo mponina mivelona amin’ny  zava-boahary ao anatiny. Nandritra ny roa taona, nanampy ireo mponina mivelona amin’ny  faritra arovana miisa 13 eo ambany fitantanan’ny “Madagascar national Parks” (MNP), Wildlife Conservation Society (WCS), Conservation International (CI) ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar). Ny banky iraisam-pirenena no namatsy vola ny tetikasa. Nofaranana tamin’ny alalan’ny atrik’asa ny 13 jolay 2018 tao amin’ny Carlton Anosy ity drafitr’asa fiahiana ara-tsosialy sy fiarovana ny tontolo iainana ity.

Nahitam-bokatra

 Olona miisa 15.000 no nisitraka mivantana  ny tombontsoan’ny tetikasa . Mba tsy hiverenan’izy ireo hanimba ny zava-boahary, nampahafantarina azy ireo ny atao hoe:  “faritra arovana”. Nomena safidy malalaka izy ireo amin’ny seham-pihariana tokony ho ataony.  Nisy tamin’izy ireo nisafidy  ny fambolena, fiompiana akoho amam-borona, fanjonoana, fiompiana trondro.  Ny tetikasa kosa  no nanampy  ara-pitaovana sy ara-teknika  tamin’ny fampiroboroboana izany. Nambaran’ny tale mpanatanteraky ny FAPBM, Gérard Rambeloarisoa fa  matoa miankin-doha amin’ireo faritra arovana ny olona iray dia manampy amin’ny fivelomany izany saingy tsy fantany fa manimba ny tombontsoan’ny besinimaro. Hitontongana ny sehatry ny fizahan-tany eto amintsika raha toa ka miharingana ireo zava-boahary mampiavaka ny firenena Malagasy. Noho izany, dingana voalohany ny fanampiana ny mponina  tsy hiankin-doha amin’ny faritra arovana. Nahitam-bokatra ny fiarahamiasa teo amin’ny FAPBM sy ireo sehatra mitantana faritra arovana (MNP, WCS, CI). Noho ny fanampiana ara-pitaovana sy masom-boly ny  mponina nivelona tamin’ny  faritra arovana Nosy Hara izay eo ambany fitantanan’ny MNP dia nahavokatra katsaka 2 ka hatramin’ny 15 taonina ny isan-tokantrano. Tsy niverina nitrandraka ny faritra arovana tantanin’ny  CI ao amin’ny Corridor Ankehineheny Zahamena intsony ireo mponina niankin-doha taminy taorian’ny fanampiana ny velon-tenan’izy ireo. Sady voasoroka ny famotehana ny zava-boahary no nahazo seham-pihariana vaovao ireo mponina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *