Socio-eco

FAPBM: Faritra arovana 31 nahazo famatsiam-bola.


Vola mitentina 6 miliara Ariary nomen’ny FAPBM hanamafisana ny fiarovana ireo faritra arovana eto Madagasikara. Hahazo tombontsoa amin’izany ny 31 amin’ireo 123.  Fanampiana maharitra ity ataon’ny FAPBM, manampy ara-bola ho an’ny faritra arovana sy ny zava-boahary eto Madagasikara ity satria misy famatsiam-bola foana isan-taona noho ny zana-bola azo avy amin’ny petra-bola atao any amin’ireo banky any ivelany. “Ny 4% tamin’ny petra-bola 74 tapitrisa dolara no ampiasaina amin’ny taona 2018”, hoy ny Tale mpanatanteraka ny FAPBM, Gérard RAMBELOARISOA.

Hampihenana ny tsindry mahatonga ny fahapotehan’ny faritra arovana ny famatsiam-bola. Mba ahafahan’ireo mponina miala amin’ny fanapahana ireo hazo ao anatin’ny faritra arovana, mihaza ireo biby efa lany tamingana…ny tohana ara-bola ataon’ny FAPBM. Araka ny fanazavan’ny Tale mpanatanteraka ny FAPBM  hatrany fa manampy ny mponina manodidina ny faritra arovana hananana asa fivelomana hafa toy ny fambolena fa tsy hiankina amin’ny  fanapotehana ny faritra arovana izao famatsiam-bola maharitra izao.

 Misitraka ny tombontsoa ireo faritra arovana eo ambany fitantanan’ny Madagascar National Parc (MNP), sy ireo fikambanana ny iraisam-pirenena ary fikambanana Malagasy.   Notanterahina ny 15 desambra 2017 ny fifanaovan-tsonia fifanarahana famatsiam-bola amin’ny FAPBM sy ireo  mpitantana ny faritra arovana.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *