Socio-eco

FAO-BNGRC : 330.000 ny mponina, tafalatsaka ao anatin’ny hanohanana


Vokatry ny fiovaovan’ny toetra andro, tsy ampy ny rotsakorana ka mahatonga hain-tany. Miatrika betsaka any amin’ny fambolena sy fiompiana izany. Ny faritra Atsimon’i Madagasikara no tena voakasika amin’izany ka ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hanohanana ireo mponina. Ny tetikasa IPC no nahafantarana fa tokantrano iray ao anatin’ny dimy no tratran’ny tsy fahampiana ara-tsakafo mahery vaika. Ny 330.000 ny mponina dia saika tafalatsaka ao anatin’ny hanohanana tanteraka ary ny 550.000 indray zara raha mihinana.

Tetikasa niarahan’ny BNGRC sy ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny famokarana azy (FAO) ny IPC. Fitaovana iray ahafahana mamaritra ny tsy fanjarian-tsakafo ao anatin’ny dingana miisa dimy ity farany.

Fantatra tamin’ny alalan’ny IPC fa anisany mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo ny fiakaran’ny vidim-piainana satria ambany dia mabany ny tetibolan’ny ankohonana tsirairay.

Ny 26 septambra ka hatramin’ny 08 oktobra lasa teo no natao ity fanadihadiana ity. Nambara omaly faha-10 oktobra 2016 ny vokatra azo. Notolorana mari-boninahitra tamin’izany ny mpiara-miasa iray misahana ny fanadihadiana amin’ny tranga any Atsimo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *