politique

Fanorenana ifotony: « Hery » inona no anatanteraha azy ?


Eo anatrehan’ny fahafantarana ny fotoana hanaovana ny fifidianana, maneho ny heviny ny mpanao politika, ny sendika, ny olom-pirenena…Tsy hita ihany izay anaovana azy ireo , ny sasany efa maneho ny fahavononana hiatrika fifidianana. Ny hafa etsy ankilany mitaky ny tsy hanatanterahana ny fifidianana amin’ny fotoana noraisin’ny fitondram-panjakana. Anisany tsy manaiky ny hanaovana ny fifidianana amin’ny daty navoakan’ny fanjakana ny Hetsika Fanorenana Ifotony ( HFI ).

Marc RAMIARINJATOVO ( Ben'ny tanan'i Alasora )

Marc RAMIARINJATOVO ( Ben’ny tanan’i Alasora )

Nambaran’ny ben’ny tanan’i Alasora, Marc RAMIARINJATOVO fa ao anatin’ny fahavaratra ny datin’ny fiodianana faharoa ny fifidianana filoham-pirenena izay mandika ny lalam-panorenana. Mangataka ny hanemorana ny fifidianana noho izany izy ireo mba ho atao amin’ny main-tany satria hiteraka krizy vaovao indray izany. Mialoha io fifidianana io kosa anefa dia mila atao ny fanorenana ifotony, hoy izy. Betsaka ireo olana tokony ho vahana, toy ny fitakiana maro isan-karazany eny anivon’ireo sendika, eny amin’ny minisitera…Hikarakara dinika nasionaly ny HFI handinihina ny fanatanterahana ny fanorenana ifotony satria mila fiomanana ara-politika sy ara-piarahamonina vao hisy ny fifidianana am-pilaminana. « Hiantsoana ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena izany mba hiara-hidinika hijerena ny tokony atao amin’ny fihavanam-pirenena, fijerena akaiky ny lalam-panorenana sy ny lalam-pifidianana ary ny fanorenana ifotony ». Tsara ny hevitry ny mpikarakara ary efa ao anatin’ny tanjon’ny fikambanana « Zah Gasy » ny fanorenana ifotony hoy ny filohany, Jean Navandahy Ratiharison saingy « hery » inona afahana manatanteraka azy ?. Raha ny heviny, tokony miditra ao anatin’ny fanjakana aloha dia ao vao manao ny fanorenana ifotony tiana atao.

Mila fanorenana ifotony ny zava-kanto

Mamitiana scoop digital - HFI

Mamitiana RAZAFIMANDIMBY ( Tale jeneralin’ny Scoop Digital )

Mitaraina amin’ny fandaniana an-tsokosoko ny volavolan-dalana momban’ny sarimihetsika sy ny zava-kanto teny amin’ny Antenimiera ny mpamokatra horonan-tsary sady tale jeneralin’ny orinasa « Scoop Digital », Mamitiana RAZAFIMANDIMBY. « Mila fanovana izany ». Naneho ny heviny amin’ny raharam-pirenena ankehitriny ihany koa izy. « Tsara ny fifidianana saingy misy zavatra tokony ho jerena amin’ny fomba anaovana azy mba tsy hiteraka olana indray. Raha izao fahitana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao, ahiana ny hisian’ny filoha peta-toko ho avy eo. Tokony hijoro olona vanona sy vonona izay miheritreritra fa tia tanindrazana sy te hanavotra ny firenena.
Nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina ady hevitra tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina izy ireo ny Zoma 06 Jolay 2018 lasa teo.

Nirina R.

Marc RAMIARINJATOVO

Mamitiana RAZAFIMANDIMBY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *