Socio-eco

FANONDROTAN-KARAMA FARANY AMBANY : Ho avy tsy ho ela ny an’ny mpiasam-panjakana


Nandray ny anjara andraikiny ny minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy taorian’ny tomban’ezaky ny 100 andro nataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry ny 29 aprily 2019. “Araka ny tatitry ny 100 andro nataon’ny filohampirenena dia mahatsiaro ho manana adidy ny ministera (…), ireo foibem-pitondrana telo sy ireo sampandraharaha any amin’ny faritra ary ireo sampana mifandray amin’ny ministera amin’ny fanantanterahana ny velirano izay navadika ho politika ankapobeny ny fanjakana (PGE)”, hoy ny minisitra Ramampy Gisèle nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, ny 14 mey 2019.

Mizotra amin’ny fanantanterahana PGE momba ny asa mendrika ao anatin’ny fitantanan-draharaha lavitry ny kolikoly ny sampandraharaha misahana ny asam-panjakana (DGFOP), araka ny fanazavan’ny minisitra. Ao anatin’izany ny fanadiovana ny fitantanana amin’ny lafiny maha olona amin’ny alalan’ny fampiasana ny rindram-baiko “AUGURE”. Nambaran’ny minisitra hatrany fa aorian’ny fahafantarana ny isan’ireo tena mpiasam-panjakana vao ho jerena ny fampiakarana ny karaman’izy ireo. Ao anatin’izay kolikoly izay dia nambaran-dRamatoa Ramampy Gisèle fa ao anatin’ny fanadiovana ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENAM, INFA ny minisitera ka zava-baovao notanterahana ny fanaraha-maso ny fikirakirana ny taratasim-panadinana, ny mpitsara amin’ny alalan’ny “caméra de surveillance”.

Mifanandrify amin’ny andraikitry ny sampandraharaha misahana ny asa sy ny lalàna sosialy (DGTLS) ny baiko nomen’ny filohampirenena ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 200.000 Ariary. “Efa namoaka didim-panjakana ny minisitera” ho fampiharana izany. Ankoatra izany dia natsangana ny “task force” izay iarahan’ny minisitera sy ny CNAPS ho fampiroboroboana ny fandrafokana ara-tsosialy. Andraikitra noraisin’ny sampandraharaha ankapobeny misahana ny fampiroboroboana ny asa (DGPE) ihany koa ny fampitsaharana ny fandefasana mpiasa any ivelany toy ny any Koweit sy ny maro hafa mba hisorohana ny herisetra tahaka ny nahazo ireo vehivavy Malagasy efa nampodiana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *