Socio-eco

FANOMEZANA AVY AMIN’NY KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay


Fety miavaka. Rehefa misy ny hetsika ara-sosialy dia matetika mirona any amin’ny be antitra sy ny ankizy ny fanomezana. Iaraha-mahalala fa sahirana ny ankamaroan’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Noho izany dia nijery manokana ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana rehetra eny Alasora ny kaominina Alasora tarihin’ny ben’ny tanana, Jimmy Randrianarisoa. jimmy randrianarisoa (2)« Nanokana vola 10 tapitrisa ariary ny kaominina tamin’ity hetsika fanomezana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny sekolim-panjakana », hoy ny ben’ny tananan’Alasora, Jimmy Randrianarisoa. Mpianatra miisa 5200 avy amin’ny EPP,CEG, Lisea no nisitraka izao fanomezana izao teo amin’ny sehatra maintso Alasora ny 23 Desambra 2020. Nahitana vato mamy, kilalao, chocolat ireo fanomezana ireo. Ankoatra izay dia nomena dictionnaire ny laureat tamin’ny fanadinana CEPE, BEPC sy bakalorea farany teo. Tsy niala maina ireo mpampianatra ao amin’ireo sekolim-panjakana ireo fa nomena vary sy menaka ihany koa. Tsy adinon’ny kaominina Alasora ireo sekoli-panjakana eny an-toerana fa notolorana tsaoka sy éponge. Fitia mifaly ihany koa ny hetsika ka nanome fanomezana ho an’ny ben’ny tanana, Jimmy Randrianarisoa ireo laureat tamin’ny bakalorea. Hisaorana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina Alasora

« Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao teto Alasora hatramin’izay ho an’ny zanak’Alasora », hoy ny chef Zap Alasora raha nandray fitenenana.

Nandritra ny hetsika dia nisy fety nampifalifaina sy nandraisan’ireo ankizy anjara. Feno ny kianjan’Alasora ary betsaka  ireo tsy tafiditra tao anatin’izany kianja izany.

Nirina R.


One comment on “FANOMEZANA AVY AMIN’NY KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay

  1. Pingback: FANOMEZANA AVY AMIN’NY KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *