Socio-eco

FANOMEZAN-DRA AN-TSITRAPO: Ny tombontsoa azo avy amin’izany


Manentana ny rehetra hanome rà an-tsitrapo. Nanome rà  an-tsitrapo teny amin’ny trano fitehirizan-drà (CRTS) ao amin’ny HJRA Anosy ireo mpiara-monina, mpinamana sy mpiara-miasa tarihin’i Haingo Paradis. Olona 50 teo no nandrasana ho avy teny an-toerana ny 19 aogositra 2020. “Fanomezana rà faobe  izay nanentanana  ny mpiara-monina, ny namana sy tapaka izy ity. Mahatsapa izahay fa sarobidy ny fanomezan-drà amin’izao hamehana ara-pahasalamana, ilaina ihany koa ny fanomezan-drà ho famonjena ny mpiray tanindrazana. Manentana izahay ho an’izay afaka manome rà hanome aty amin’ny HJRA sy izay toerana afaka hanaovana an’izany”, hoy i Haingo Paradis avy ao amin’ny oniversite HPI/Masca Sabotsy Namehana.  Nambarany fa hetsika fanombohana izy ity ary “isaorana manokana ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, izay nisoloan-tenan’i Dr Manitra, nikarakara ny fitaovam-pitaterana nitondra ireo mpilatsaka an-tsitrapo”, hoy izy. Rehefa misy hetsika fanomezan-drà tahaka izao dia manolo-tanana amin’ny fanomezana sakafo maivana ireo mpanome rà an-tsitrapo ny fikambanana Ny Hoaviko izay tarihin’i Tatie Noely.

Tombontsoa

“Ilaina ny fanomezan-drà tsy ny eto Antananarivo ihany fa manerana an’i Madagasikara”, hoy i Dr Manitra Rakotoarivony. Tombontsoa amin’ny fanomezan-drà ny  fahafaham-po izay zava-dehibe  eo amin’ny fiarahamonina, araka ny fanazavany. Ankoatr’izay, “mihavao isan’andro ilay rà, voasolo ara-dalàna ka manentana ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tsy hiandry hisy olona marary vao hanome rà”. Nambarany fa  afaka miverina manome rà ny vehivavy,  efa-bolana taorian’ny nanomezany rà ary telovolana kosa ho an’ny lehilahy.

Lynda A.


One comment on “FANOMEZAN-DRA AN-TSITRAPO: Ny tombontsoa azo avy amin’izany

  1. Pingback: FANOMEZAN-DRA AN-TSITRAPO: Ny tombontsoa azo avy amin’izany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *