Socio-eco

FANKALAZANA NY FAHA-40 NY FIZALOATRA: Hisongadina ny fampandrosoana


Feno 40 taona ny fikambanan’ny zanaky ny faritra Alaotra (FIZALOATRA). Efa natomboka tamin’ny fanentanana  ny vahoaka rehetra izay manana soso-kevitra hanome ny sary famantarana  sy ny teny filamatry ny faha-40 taona ny fankalazana. “Efa nalefa manerana ny toerana rehetra mety hahitàna mpandray  anjara ny filazana. Misy ny fe-potoana hametrahana  azy sy ny loka omena ho an’izay mahafa-po”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny zanaky ny faritra Alalotra, Jeneraly Rabearivony. Ny 6 aprily 2019 amin’ny 11 ora eny amin’ny Paon d’or kosa no hanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana. Aorian’izay dia entanina ny mpikambana ao amin’ny Fizaloatra rehetra fa hisy ny fitsangantsanganana iarahana ny 27 aprily 2019. Ny alim-pandihizana miavaka atao ny 22 jona 2019 ny tohiny ny fanamarihana ny faha-40 taona ary ho lazaina amin’ny manaraka ny toerana, hoy ny komity mpikarakara ny fankalazana, ministra teo aloha, Lalaharisaina Joëli.

 Tsy tapitra hatreo fa mbola hitohy any amin’ireo distrika telo (Ambatondrazaka, Andilamena, Amparafaravola) mandrafitra ny faritra Alaotra ny fankalazana. Ao anatin’ny telovolana eo dia hamory ny vahoaka isaky ny distrika tsirairay ny birao ny Fizaloatra. “Loabary an-dasy ahafahana manetsika ny vahoaka any an-toerana handinihana ny fomba hampandrosoana ny faritra ity hetsika ity”, hoy hatrany ny komity mpikarakara. Mandritra ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana kosa no handravonana ny hevitra nisongadina tamin’ny loabary an-dasy, ny fampandrosoana iaraha-manao ary ny fangatahana ho entina eo anivon’ny fitondrana foibe ahafahana mampandroso ny faritra Alaotra. Manantena ny fikambanana fa aorian’ity fankalazana ity dia ho amboarina ny lalam-pirenena RN44 mankany Ambatondrazaka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *