Socio-eco

FANITARANA NY SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA: Manan-danja ny lafy ratsiny


Nanoratra taratasy misokatra ho an’ny Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry ny ADOPT (association des originaires du province de Toamasina) sy ny SECES ( sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra) sampana Antananarivo ny 07 novambra 2019. Mangataka izy ireo ny hisintonana ny taratasy fahazoan-dalana ara-tontolo iainana momba ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Araka ny velan-kevitra niarahan’ny roa tonta nanao tamin’io daty io dia misy lafy ratsiny ny fanitarana ny seranan-tsambo raha toa ka ny lafiny tsara no dradraina amin’ny vahoaka. Nambaran’ny tomponandraikitry ny ADOPT, Zafivao Jean Louis fa hanimba ny toeran’ ny trondro ny fanotorana ny « petit récif » na « récif coralien » mirefy 26 ha. « Rehefa simba io toerana io dia ho eny amoron-dranomasina ny atsantsa no hitady sakafo », hoy izy. Fanampin’izany, tandidomin-doza ny mponina satria fasika feno poizina no alana mba hahazoana ny halalina latsaky ny 16 metatra ahafahana sambo miantsona. Araka ny fanazavany hatrany dia hanapoizina ny rano ho sotroin’ny mponina ny fikatonan’ny vinany ao amin’ny lakan-dranon’i Pangalane. Hanaratsy endrika ny torapasika ny tohan-drano efatra ho amboarina izay hisakana ny fasika. Anarivony ny trano ho rava noho ny fanamboarana « autoroute » mampitohy ny seranan-tsambo sy ny RN2. Nohamafin’i Zafivao Jean Louis fa eo am-pelatanan’ izy ireo ny antontan-taratasy manamarina izany ary avy amin’ny SPAT ihany no nahazoana izany. Sosokevitra aroson’ny ADOPT sy SECES Antananarivo ny fanamboarana seranan-tsambo vaovao eny amin’ny Baie d’Ivondro, 07 kilometatra miala ny tanàna sy ny fanamboarana ny « porte sec » ao Antsarakofafa. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny SECES, Profesora Ravelonarivo Sammy Grégoire fa kely kokoa ny lany raha io sosokevitra io no tanterahina. Raha ny tombam-bidy fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina dia mitentina 638 tapitrisa dolara ary miampy fandaniam-bola hafa ny fanalana fasika rehefa vita. Mitentina 612,7 tapitrisa dolara kosa ny fanamboarana seranan-tsambo vaovao ao amin’ny Baie d’Ivondro satria manamora ny asa ny fananany halalina latsaky 20 metatra izay tsy mila manala fasika. Tsy misy ihany koa ny fandravana tranon’olona, tsy simba ny kalitaon’ny ranomasina ary tsy mila fanamboarana « barrage en épis » izay hanimba ny moron-dranomasin’i Toamasina. Marihina fa efa nandefa taratasy tany amin’ny governemanta japoney, mpamatsy vola ny tetikasa ny ADOPT momba ireo lafiny ratsy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo. Mangataka Prezidan’ny Repoblika izy ireo hijery ny sosokevitra nataon’ny governemanta japoney tamin’ny taratasy nomeny ny fanjakana malagasy ny 07 septambra 2015 mitondra ny laharana AMB/MGD/12/15.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *