politique

FANIRISOA ERNAIVO: Handray an-tanana ny mpitrongy vao homana


Alarobia 08 aogositra 2018, nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiany teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana i Fanirisoa Ernaivo. Nanaraka azy ny mpikambana ao amin’ny « Parti Travailliste Malagasy » sy ny antoko politika ZAMA (Zanak’i Madagasikara) izay nanolotra azy ho kandida amin’ny fifidianana filohampirenena. « Ho an’ny mpitrongy vao homana rehetra na any an-tsaha na an-tanan-dehibe no antony nanoloranay an-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo. Handray an-tanana ireo mpitrongy vao homana izy », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko « Parti Travailliste Malagasy », Celestin Randrianarivony. Manohana an’i Fanirisoa Ernaivo, filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara ihany koa ny antoko ZAMA satria nahita ny hetsika nataon’ny sendika momba ny ady amin’ny kolikoly. « Hampandroso ny isam-batan’olona. Vehivavy hanova ny tantaram-pirenena izy », hoy ny mpitondra tenin’ny ZAMA, Arifenitra Rakotozanakajy.

Pejy vaovao

« Tonga ny fotoana hitondrana ny tena fanovàna… Hamadika pejy vaovao », hoy i Fanirisoa Ernaivo. Nilaza anefa izy tsy maintsy handalo amin’ny tany tan-dalàna izay ho entiny sy ny ekipa izay tarihiny. Ny ady amin’ny kolikoly, ny fametrahana ny fanjakana tan-dalana, ny fiarovana ny zon’ny tsirairay sy ny andraikitry ny tsirairay no fototra hampandrosoana ny toe-karena eto Madagasikara.

Lynda A.

Fanirisoa Ernaivo

ZAMA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *