Edito

Fandriampahaleman’ny Frankofonia : Resaka avo lenta…


Satria betsaka ny vahiny manan-kaja toy ny filoham-pirenena lehibe hafa sy ny mpanjaka dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fiarovana azy ireo ka tsy misalasala mihitsy ny fitondrana malagasy mamoaka ny fiara mifono vy sy ireo miaramila mihainohaino any amin’ny toby fotsiny.

Efa nasaina naka toerana amin’iny lalana vaovao mandeha Soavimasoandro iny ny fiara mifono vy. Ary raha izao moa iny no mampihotsaka ilay lalana vao vita satria tanimbary nototofana anie iny ka mbola tsy mafy akory. Iny orana tamin’ny alina iny izao dia efa feno lavaka ny lalana satria manify tanteraka ny akora nanamboarana azy.

Ary satria moa efa fantatr’ireo vahiny fa tsy ary fomba loatra ny miaramila malagasy ary tsy ampy fitaovana noho ry zareo efa nanao fitsidihina mialoha ahitana ny zava-misy, ka tsy mahagaga raha hatramin’ny sambo vaventy entina miady no efa manodidina ny nosintsika satria niharihary toy ny vay an-kandrina ny fivoahan’ny andramena noho ny tsy fahafahan’ny miaramila gasy niambina ny morontsiraka sy ny sisin-dranomasina. Mailo ny vahiny dia aleony ny sambony mihitsy no entiny hiambina ny morontsiraka mandritra izy eto amintsika hanatrika ny fihaonana an-tampony amin’ity frankofonia ity.

Ahitana taratra izany amin’ny resaka fitantanana ankapobeny eo amin’ny firenena. Nihaona omaly ireo mpandraharaha malagasy sy maraokana ka mijery izay mety iarahana miasa. Efa mba nampahafantarina ireto mpandraharaha vahiny ve fa ny eto Madagasikara rehefa misy fotoana lehibe toy izao dia toa mijanona mihitsy ny fiainana ankapobeny. Raha tsy hilaza ny zava-niseho teo Antaninarenina omaly maraina, notapahana ny lalana ary tsy nisy filazana mialoha satria asiana sehatra hazo eo anoloan’ny kianjan’ny fahaleovan-tena. Dia mazava ho azy ny fitohanana naterak’izany ary ny vokany amin’ny lafiny maro samihafa.

Voninahitra tokoa izany mandray fihaonana iraisam-pirenena izany ary mba tokony atao amin’ny fomba mendrika sy manara-penitra fa tsy atao kimetameta sy vonjy tavan’andro ny asa ary indrindra tsy atao takalon’aina ny fiainana ankapobeny ho an’ny malagasy satria ny fiainana tokony hizotra foana raha tiana handroso ny firenena.

Ka raha isika moa izany no handray ny lalao olimpika na fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin’ny lalao baolina kitra ka tsy mandritra ny iray volana izany dia miato tanteraka ny fiainam-pirenena ?


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *